Politique

Rakotoamboa Jean Louis Nandika lalàna daholo ireo …


  • Alarobia 29 Aogositra 2018

Ny antoko TEZA hatramin’izay, hoy ny filohany, Rakotoamboa Jean Louis, dia nametraka foana fa tokony hapetraka tsara daholo aloha ny fitsipi-dalao rehetra, izany hoe ny lalàmpanorenana, ny lalàna mikasika ireo antoko,

 

 ny lalàna mifehy ny fifidianana sy ireo hafa marobe vao miroso amin’ny fifidianana. Tsy izay anefa no mitranga ankehitriny fa dia hiroso ihany isika. Ireo andry ianteherana amin’izany anefa nandika lalàna daholo. Ny HCC, ohatra, nisalovana ny andraikitry ny Antenimieram-pirenena nefa tsy anjarany ny mikantsana ireo lalàna natolotry ny parlemantera. Ny mamerina izany hodinihina indray teny Tsimbazaza no tokony ho nataony. Tsy anjarany koa ny manao asa fanelanelanana ka hoe : manaova ianareo governemantan’ny marimaritra iraisana. Ny avy eo anivon’ny CENI indray dia ny birao aty amin’ny foibe ihany no lehibe fa any amin’ny distrika rehetra any sarotra ny hanara-maso azy. Vetivety ny isan’ny mpifidy 4 tapitrisa dia efa lasa 9 tapitrisa. Izao dia hoe : tsy mahazo atao mihoatra ny 700 ny isan’ny mpifidy voasarotra anarana hifidy ao anaty biraom-pifidianana iray. Dia nampitomboina ho 25.000 eo ho eo ny isan’ireo birao. Mampanahy avokoa ary ahiana ny korontana aorian’ny fifidianana, hoy izy. Manahy koa izahay fa ampahany fotsiny ihany amin’ny vola tena hampiasain’ireo kandida no hampahafantariny amin’ny mpanara-maso fa ireo famatsiana tsy mazava tsy horaketina an-tsoratra. Nambara tamin’ny radio frantsay RFI moa omaly fa nandany 43 tapitrisa dolara, ohatra, ny kandida Hery Rajaonarimampianina tamin’ny filoham-pirenena 2013 ka nahalany azy.

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT