Politique

RAKOTO JEAN PIERRE Manaiky ny fiverenan’i Dada an-tanindrazana


  • Alarobia 03 Septambra 2014

Niatrika ny Volambetohaka natao tany Ambalasoaray Imadiala sy nanotrona ny JMJ tao Fandriana ny faran’ny herinandro teo ny kandida filoham-pirenena Rakoto Jean Pierre rehefa tsy hitahita tao anatin’ny fotoana maro

. Nambarany tamin’ny tafa fohy natao taminy fa mihisatra sy mampanahy ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny. Ny kobaka am-bava no betsaka eto, hoy ny tenany fa tsy misy zava-bita ary voafetra ny olona miaraka amin’ny fitondrana ankehitriny ka tsy ahitam-bokany. Tsy mbola miaraka amin’izao fitondrana izao ny tenany fa manampy olona fotsiny ihany rehefa tsy lany filoham-pirenena. Mikasika ny fampodiana ireo sesitany politika dia notsorin-dRakoto Jean Pierre fa tsy olana aminy ny fodian’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana eto, zony ny mody an-tanindrazana. Eo amin’ny sehatry ny fampihavanam-pirenena dia nambarany fa mila mivondrona manangana komity manokana aloha ireo mpampihavana vao mampihavana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT