Politique

Rajoelina tsy mahatoky valera Mirarakopana ny fizaram-bola…


  • Alatsinainy 22 Oktobra 2018

Malaza ratsy tanteraka amin’ny fizaram-bola sy ny fampiasam-bola be tsy toko tsy forohana ataony i Andry Rajoelina amin’izao fotoana.

 Anisan’ny lohahevitra navoakan’ireo kandida nihaona tamin’ny CENI ny zoma lasa teo ny fanontaniana mazava tamin’ireo rafitra rehetra voakasika sy afaka manasazy hoe: inona no andraikitra sy fanapahan-kevitra raisinareo eo anatrehan’ny kandida mampiasa vola be hatrany amin’ny 180 tapitrisa dolara ? Maro ihany koa ny tsy fanarahan-dalàna novakiana bantsilana, saingy tsy hita aloha hatreto izay tena setriny. “Efa tsy misy henatra intsony ny fizaram-bola. Hanao hetsika eo amin'ny Bord Toamasina ny Kandida Andry Rajoelina anio tolakandro, ka nilaza mivantana ireo mpikarakara fa omena 5 000 ariary izay mazoto mitsena azy eny Ambalamanasy sy ho avy eny amin'ny Bord avy eo. Tsy maintsy manao t-shirt kosa anefa”. Io no fampitam-baovao iray navoakan’i Patrick Raharimanana, iray amin’ireo olona nanam-pikasana ho kandida filoha saingy nihemotra. Tao anatin’ny tambajotran-tserasera no nanaovany izany. Teny Ambodirano Ampitatafika teny dia nifanarahana fa 15.000Ar miaraka amin’ny sakafo vary sy laoka no tambin’ny fanaovana propagandy, saingy tapa-mofo dipaina maina kely no nomena ireo nokaramaina, ka zara raha nisy 50 no tonga tamin’ny herinandro teo ary nisy ny nimonomonona. Eny Antehiroka kosa dia 15.000Ar no miakatra ao anaty kamio mitondra mpanao propagandy miampy fizarana t-shirt, ary mbola ampiana  2.000Ar hatao sakafo. Izany no fomba fiady politika maloto hoenti-mampiseho fa mahazaka vahoaka noho ny tsy fahatokisan-tena ka ny vola no hampitenenina. Mazava ho azy ary heverina fa raha sanatria lany eo, dia hanonitra ny volabe amin’ny alalan’ny fandrobana firenena amin’ny fomba mihaja no anton-draharaha, izay efa nampalaza ratsy ny fanjakana tetezamitany.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT