Politique

Rajoelina tia tena Mitady hanakorontana firenena indray


  • Talata 20 Novambra 2018

Nampitomboina ny isan’ny mpifidy dia zaraina ny vato ary mijanona eo amin’ny 40%, hoy i Andry Rajoelina, omaly. “Truqué” ny rindram-baiko na ny “logiciel”, ka izay zavatra ampidirina ao dia lainga no avoakany,

 

 

 

 hoy ity kandida izay efa niara-nifety tamin’ny mpomba azy ny 7 novambra ity, izay nanao don-tandroka fa efa naman’ny mpandresy. Betsaka ny zavatra mampametra-panontaniana ary tsy nihoatra ny vato 500 000 nampidirina taty amin’ny faramparany, ary io vato 500 000 io isan’andro mba nahafahana nampifandanja ny vato azon’ny kandida 13, hoy izy. Na ahodina in-jato in’arivo dia izay no zava-misy hoe tsy azo lalaovina ny safidin’ny Malagasy, hoy i Andry Rajoelina. Tsy azo lalaovina ny fiainan’ny Malagasy, hoy izy. Vitany anefa ny nanongam-panjakana tamin’ny 2009 ka nitotongana ny faripiainan’ny vahoaka nanomboka teo.  Momba ny valim-pifidianana, zavatra iray no mampitovy hevitra azy dia ny laharana faha-13 no mitarika, ary izay ihany no ekeny, saingy tsy amin’io salan’isa io. Miandrandra fifidianana madio sy mangarahara ny vahoaka Malagasy, hoy izy. Fifidianana madio ve ny fizaram-bola hividianana ny safidin’ny olom-pirenena araka ny tatitra nataon’ny Vondrona Eoropeanina ? Nambarany fa tsy ny zotram-pifidianana no olana fa ny fikirakirana ny voka-pifidianana, izay azo adika ho fanarontsaronana ny afera natao kanefa tsy arakaraka izay ny vokatra azony. Efa zatra ady isika, ary na inona hitranga na inona hidona dia isika tsy maintsy mandresy, koa mangataka amintsika rehetra hifanome tanana, hoy Rajoelina. Nilaza fa ny hafa mivoy fankahalana sy fandravana fa izy ireo mivoy fitiavana. Ireny iaraha-maheno ireny anefa ny fivoizana adim-poko sy fanavakavaham-bolon-koditra ataon’ireo manodidina azy. Nametraka ny fitoriana teny amin’ny HCC izy nangataka ny hanaovana ny “audit” amin’ny rindram-baiko ary nilaza fa betsaka ny zava-nitranga ankoatra ny hala-bato. Milaza Rajoelina fa vatony no natao vato maty, ka nangataka eo anivon’ny CENI mba hanaovana ny “confrontation”, kanefa izy mianakavy aza tsy namaly raha niantso izany ny CENI. Apetraka eo am-pelatanan’ny HCC ny mikasika ny handravona ny voka-pifidianana, ka milaza ho mahatoky ny fahendren’ny HCC i Andry Rajoelina. Ho hita eo izay hiseho fa ny handikan’ny maro azy aloha dia mitetika ny hanakorontana i Andry Rajoelina sy ny ekipany raha tsy lany eo satria efa nanatosaka vola tsy toko tsy forohana kanefa tsy arakarak’izay ny vokatra, hany ka midingin-drambo. Efa zatra ny lalan-dririnina tamin’ny 2009 angamba.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT