Politique

Rajoelina sy ny MAPAR Fa mitady inona marina ?


  • Zoma 16 Novambra 2018

Nametraka taratasy teny amin’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) omaly hariva ny Kandida Andry Rajoelina. Mangataka ny fampiatoana ny fikirakirana ny fifidianana ataon’ny CENI sy ny tsy hamoahana aloha ny valim-pifidianana izy ireo.

 

Mampiahiahy ny “systeme informatique” ampiasain’ny CENI amin’izao fotoana, hoy ny mpisolovava nanatitra ny fitoriana teny Ambohidahy. Tokony hisy ny fanaraha-maso manokana ny rindra-baiko (logiciel) ampiasain’ny CENI, amin’ny fikirakirana ny fifidianana. Angatahan’ny Mapar ihany koa ny hanaovana ny fampitahana ny fitanana an-tsoratra amin’ny biraom-pifidianana rehetra tsy ankanavaka. Midika izao fihetsika izao fa tsy hanaiky izay voka-pifidianana hivoaka eo i Andry Rajoelina sy ny ekipany. Ny mahagaga amin’ity resaka ity dia nahoana no efa aty amin’ny andro vitsy tsy hivoahan’ny valim-pifidianana vao mikorapaka tahaka izao ny Mapar ? Efa nanala ny solontenany teny amin’ny CENI amin’ny fanaraha-maso ny fanangonana ny valim-pifidianana i Andry Rajoelina roa andro lasa izay, avy eo tonga teny indray omaly rehefa niantso an’ilay resaka fampitahana ny fitanana an-tsoratra ny CENI. Avy eo nankeny amin’ny HCC Ambohidahy indray hanajanona ny fikirakirana ny fifidianana dia tsy avoaka aloha ny vokatra. Tany Mahajanga dia nisy ny antsoantso nataona olom-boafidy MAPAR tamin’ny onjampeo fa hoe hisy ny fivorian’ny fikambanana miaro ny safidin’ny Malagasy. Marihina fa mandresy ny kandida laharana faha 13 Andry Rajoelina raha ny tarehimarika avoakan’ny CENI no jerena. Ka eo no mahagaga sy mahatalanjona hoe ny maharesy indray no toa mikotaba sy mitady hanao zavatra hafahafa, satria efa miantso olona hivorivory. Maro ny zavatra re etsy sy eroa amina fikasana hamboly korontana…izay hisy akony amin’ny zotram-pifidianana manaraka ka mety hanohintohina ny fiatrehana ny fihodinana faharoa. Sa ve efa io fanakorontana io mihitsy no paikady tany aloha fa mba mody niatrika fifidianana fotsiny aloha ary efa sinema ny ambiny mba hanadalana ny saim-bahoaka ?

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT