Politique

Rajoelina sy ny IEM Hisedra olana goavana ara-bola…


  • Talata 15 Janoary 2019

Tsy maniry ratsy ho an’ny fitondram-panjakana vaovao hotarihin’i Andry Rajoelina sy ny firenena fa sarotsarotra ny zavatra miandry ny mpitondra.

 

 

 Raha tarafina amin’ny tany aloha, niiba ny fitantanan-dRajoelina ny firenena. Maro ny zavatra napanantenaina, niaraka tamin’ny kisarisary samihafa na ny “maquette” nentina nandresen-dahatra ny olona tamin’ity. Toa baraingo kosa ny fomba fanatanterahana ny IEM, raha tarafina tamin’ny adihevitra nifanaovan’ny kandida roa tonta ny 16 desambra 2018. Tsy nahavaly ny resaka fiavian’ny loharanom-bola i Andry Rajoelina. Asa izay ho fahaizany mandresy lahatra fa raha ireo mpamatsy vola mahazatra tahaka ny Banky Iraisam-pirenena sy ny Tahirim-bola iraisam-pirenena aloha dia toa tsy dia ratsy hatreto. Toa novoizin’ireo akaiky azy rahateo ny resaka tsy fiankinan-doha, ka dia ho hita eo ny hafitsony. Sarotsarotra anefa ny miala amin’ireo, saingy mba efa manana ny ianteherany angamba ny fanjakana Rajoelina. Vao miditra amin’ireo lalam-bola hafa anefa amin’ny ankapobeny, dia efa miainga ny tia sy nday toy ny harem-pirenena no setriny. Ny sinoa, ohatra, rehefa misy tombony ho azy dia hirisihany satria tsiriritiny avokoa rehefa harena eto. Ny Rosianina dia efa manomboka mitady toerana eto, ka re fa anisan’ny tiany hidirana fatratra ihany koa ny resaka harena ankibon’ny tany. Nanana kandida mihitsy tamin’ny fifidianana, ary voalaza fa nanohana an-dRajoelina, hoy ny kandida iray. Ny Frantsay ao anatin’ny Frantsa-Afrika aloha no tsapa fa akaiky ny fanjakana Rajoelina, ary ireo no mifehy ny toekarena eto amin’ny alalan’ireo orinasa matanjaka maro be. Tena afaka hanome fahafaham-po azy ve ny Frantsay ? Voalaza ho tsy nahatokisan’ny Frantsay ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina intsony, ny fitadiavana lalam-bola tany amin’ny Sinoa, Rosianina, Tiorka,… rehefa nampifilafilaina tamin’ilay fampanantenana 10 miliara dolara nandritra ny fivoriana niarahana tamin’ny mpamatsy vola 1-2 desambra 2016. Sarotra ny miandry an-dRajoelina, kanefa maro ny fampanantenana sy zavatra miandry azy, ka hiaraha-mitazana izay hafitsony.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT