Politique

Rajoelina sy ny fanonganam-panjakana 2009 Tsy hahazo rirany mihitsy amin’ny mpamatsy vola


  • Alakamisy 27 Desambra 2018

Tsy azo fafana ny habibiana vitan’i Andry Rajoelina teto amin’ny firenena tamin’ny famotehana nataony tamin’ny taona 2009. Tsy vitan’ny potika sy rava ny orinasa Malagasy maro namelona fianakaviana an’aliny fa nanao tari-dositra ihany koa ny mpamatsy vola tamin’ireny.

 

 

 

 Ankarihary tanteraka mantsy ny zava-nisy sy ny zava-bitan’ity olona nampikorosofahana firenena ity ka tsy antokisan’ireo mpamatsy vola ireo. Iaraha-mahalala fa marefo tanteraka i Madagasikara ary tsy tafavoaka ny toekarena raha tsy hisy fampiasam-bola atao eto. Tsy maintsy ilana famatsiam-bola avy any ivelany anefa izany. Misy firenena iray ihany tena antenain’i Andry Rajoelina fa hanampy betsaka azy raha sanatria tafapetraka eo izy saingy efa olana be koa izao ny fandaminana anatiny ny ara-toekarena sy ny ara-tsosialy, hatramin’ny ara-politikan’io firenena io. Ankoatra izay dia efa manomboka hitam-poko hitam-pirenena ihany koa ny hosoka sy ny fangalaram-bato misy ankehitriny ka vao mainka mandoaka ny ratra sy ny takaitran’ireo mpamatsy vola. N’inona n’inona hataon’ity mpandrava ity dia ho sarotra aminy aloha ny hanarina ny toekarena. Ankoatra ny traikefa tsy ananany mantsy dia tsy ho azony mihitsy ny fon’ny mpamatsy vola noho ny halatra misy hatramin’izay ary mitohy hatramin’izao.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT