Politique

Rajoelina sy ny « Collectif d’Ambodivona » Tsy manaiky ny fanendrena ny praiminisitra vaovao


  • Zoma 16 Janoary 2015

Namory mpanao gazety tetsy amin’ny Carlton Anosy indray ny lehilahy sy ny mpiara-dia aminy ao amin’ny Mapar ary ireo filohana antoko 4 nivondrona ao amin’ny “Collectif d’Ambodivona” niaraka tamin’ireo mpomba azy tsirairay avy ka nanambara fa tsy eken-dry zareo ny fanendrena ny praministra vaovao, ny jeneraly Ravelonarivo Jean.

Fangatahana fiaraha-midinika amin’ny hanendrena praiministra manaraka ny lalàna velona no nataonay tamin’ny filoha Rajaonarimampianina, hoy i Andry Rajoelina, nefa iny fanambarana tamin’ny 11 ora sy sasany alina iny no valiny azo.Ny vahoaka, ny iraisam-pirenena ary ny isam-batan’olona no vavolombelona, hoy izy, amin’ny tsy fanajana ny lalàm-panorenana. Tsy ilay olona amin’ny maha-olona azy no halanay sanatria fa aminay dia masina loatra ny fanajana ny lalàm-panorenana fototra nitsanganan’ny vahoaka tamin’ny farany. Tsy midongy seza izahay sanatria ary izaho efa nilaza ombieny ombieny fa tsy hanao praiminisitra izany mihitsy , hoy Rajoelina ary izahay tsy hanakorontana fa miantso ny vahoaka kosa aho hijoro amin’ny heviny ary tsy hanaiky lembenana amin’ny tsy mety rehetra miseho eto amin’ny firenena. Amiko, hoy Atoa Andry Rajoelina, dia tsy misy fampihavanam-pirenena raha tsy madio fo ny rehetra ary tsy mifampihatsaravelatsihy. Iza anefa no tsy nanome voninahitra olon-dehibe indrindra ka tonga farany teny Ivato afak’omaly ary niala voalohany teny indray omaly kanefa ny sonia natao ihany ? Iza no tsy mba nahalala nirary soa ny vahoaka Malagasy nahatratra ny  Asaramanitra akory kanefa nahazo micro nikabary nivantana tamin’ny haino aman-jery ?

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT