“Tamin’ny 2008 dia nahatratra 7,5 ny fitombon’ny harinkarena ary tamin’ny 2009 dia niiba satria 3% ary mazava amin’izany hoe inona no nampirongatra ny tsy fandriampahalemana ?”, hoy ny kandida Marc Ravalomanana tamin’ilay adihevitra tao amin’ny fahitalavi-panjakana TVM.
Mitotongana 100% ny volantsika, ary tsy maintsy harenina izany. Tamin’ny fitondrana Ravalomanana dia manodidina ny 2.000Ar ny Euros iray raha 4.000Ar eo ankehitriny. Manangana asa, hantsoina ny tantsaha, hampiroboroboana ny tantsaha izay 92% maro an’isa eto, mba hahafahantsika mahavita tena ara-tsakafo ary miasa afaka mampiakatra ny harinkarena avy eo no anisan’ny fanambiny. Ny filoha efa nitondra dia tokony ho efa nahitana fahombiazana amin’ny zavatra nataony, ary rehefa mahomby ianao dia mahomby foana, hoy izy, ka mila toe-tsaina matotra tsara isika. Voasazy isika tamin’ny 2009-2013, ary tsy ny olona nanongam-panjakana no voa fa ny vahoaka Malagasy, izany hoe tsy nisy fahombiazana. Tsy maintsy haverina ny fifampatokisana amin’ny mpamatsy vola. Mety misy hoe handeha any amin’ny sinoa dia mametraka ny fepetrany izy, fa ny ahy tsy izay, hoy izy. Te hikosoka ny tantara Rajoelina, ka nilaza fa ohatra ny variana mifampitsikera isika, variana mitantara ny lasa fa ny zavatra andrasan’ny vahoaka amintsika kandida dia vahaolana hanalana an’i Madagasikara ao anatin’ny fahantrana lalina. Nanasonia fa nametra-pialana i Marc Ravalomanana, ary aoka izay ny resaka fanonganam-panjakana. Tsy sahy nanao fampitahana ny fiainam-bahoaka sy ny fahantrana lalina nateraky ny fanonganam-panjakana izy, izay misy ny antontanisa mazava fa ny nanadio tena hatrany no nataony. Nofinofy izany Rajoelina hiaiky ny helony sy hifona amin’ny vahoaka izany…. Tsy nametra-pialana aho fa namindra fahefana tamin’ny miaramila mba hikarakara fifidianana. Izaho no nanasonia an’ilay izy dia izaho no mahalala azy, ary tsy misy afaka miady hevitra amin’izany fa izaho ihany. Nanameloka an’iny avokoa ny sehatra iraisam-pirenena, hoy i Marc Ravalomanana, ary tsy hisy afaka handa fa voasazy isika. Nisy nandoro avokoa ny orinasako tamin’ny 2009, izay kazarana vely kanonta ho an-dRajoelina satria izy no tompon’antoka tamin’ny fanonganam-panjakana nisian’ny fandoroana fananam-panjakana sy fananan’olon-tsotra, anisan’izany ny TVM, izay tsy nahita havaly raha nampahatsiahivin’i Marc Ravalomanana hoe: ity ihany koa dia avy may tamin’ny 2009. Ny zaza tsy manana kopia, misy olona tsy mihinan-kanina, ka sofin’omby no asianao “puce”, hoy kosa ny kandida José Andrianoelison.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.