Nisy nitory any amin’ny fampanoavana ambony any Paris Frantsa i Andry Rajoelina mivady, ka ny lehiben’io fampanaovana io Atoa François Moulin no nandefasana azy io ny 13 septambra lasa teo.
Famakiana bantsilana misahana afera maloto no anton’ny fitoriana, ka mivoitra ao anatin’izany ireto zavatra miisa 3 ireto dia ny fahazoana harena tamin’ny fomba maloto sy tsy ara-drariny na “bien mal-acquis”, fanambarana hosoka ara-ketra (fausse declaration d’impôts) ary fanondranana boaderozy. Nambara ao anatin’io fitoriana io ihany koa fa tafiditra ao anatin’ny afera Mamy Ravatomanga izay raharaha efa mandeha any amin’ny Fitsarana Frantsay amin’izao fotoana izao i Andry Rajoelina. Ny taona 2011 dia nividy trano lehibe iray ao 31 bd Charcot 92200 Neuilly s/Seine, mitondra ny anarana SCI IMORONI mitentina 300 000 000 Euros i Andry Rajoelina, ka i R.A no mitantana izany, hoy ny voasoratra ao anatin’ny fitoriana. Manana villa lehibe iray any Sauvemy, any amin’ny 359 route de Versonnex 01220, mitentina 20 000 000 Euros any. Voaresaka ao anatin’io ny resaka fanondranana boaderozy, izay ambaran’io fitoriana io fa niarahany tamin’i Mamy Ravatomanga. Izay no mety ho anton’io hirotsahan’i Andry Rajoelina hofidianana filoha, mba hahazoana zo tsy azo henjehina any Madagasikara, hoy hatrany ny fitoriana. Etsy an-daniny, mihasarotra ny raharaha ho an’ilay mpanefoefo Mamy Ravatomanga satria manomboka mivoaka ny porofo amin’ireo resaka harena voalaza fa tsy mangaraharaha hanenjehana azy any Lafrantsa ihany koa. Taorian’ny raharaha Panama Papers, resaka harem-be azo tamin’ny resaka afera maloto. Any am-pelantanan’ny sampan-draharaha misahana ireny harena giazana noho izy azo tamina afera maizina ireny na ny AGRASC (Agence de Gestion et de Recouvrement des Avoirs Saisis et Confisqué) ka voatonona ao ny orinasa Mialy, "530195205,SCI,28 All de Canterane 33450 Saint Sulpice et Cameyrac", izay nividianana ny trano be mitentina 625 000 Euros na 12 500 000 000 fmg, "ordre n° 23: date de dépôt 27/06/2018 saisie pénale Réf: 9214P03 2018S18". Ny orinasa Aina "530196252,SCI,28 All de Canterane 33450 St Sulpice et Cameyrac", izay nividianana ny trano be mitentina 635 000 euros na 12 700 000 000 Fmg, "ordre n° 24: date de dépôt 27/06/2018 saisie pénale Réf: 9241P03 2018S19". Ny orinasa Lovanirina "531060176,SCI, 28 All de Canterane 33450 Saint Sulpice et Cameyrac" no fahatelo nividianana trano be mitentina 930 000Euros na 18 600 000 000 Fmg. "ordre n° 22: date de dépôt 25/06/2018 saisie pénale Réf: 9214P03 2018S7". Mahatratra 43 800 000 000 Fmg ny teti-bidin’ireo. Tsy mitovy amin’ny eto Madagasikara ny fitsarana any Frantsa, ary tsy misomonga ka tsy hay izay hiafaran’ireo raharaha ireo. Tsaroana ny nanjo filoha teo aloha i Jacques Chirac noho ny resaka asa noforonona (emplois fictifs) fony izy ben’ny tanànan’i Paris,… Ny an’i Nicolas Sarkozy, izay voapaingotra noho ny raharaha famatsiam-bola an-tapitrisa euros azony tamin’ny fomba mampiahiahy avy any Libia.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.