Azon-dry zareo fitondram-panjakana atao ny mandrava ny Antenimieram-pirenena raha ilaina izany, hoy ny depiote Rajaozanany Jean Claude dit Sa-Y-Ah voafidy tany amin’ny distrikan’i Mandritsara Faritra Sofia, nefa tsy mahatsara ny firenena ny fanaovana izany amin’izao fotoana izao raha ny hevitro.
Olom-boafidy misolotena mivantana ny vahoaka izahay depiote ka matoa tonga amin’izao fanapahan-kevitra izao dia misy ny zava-tsy mety ataon’ny filoham-pirenena. Manao fandikana lalàmpanorenana maro izy araka ny efa nambaranay ombieny ombieny. Aoka tsy hofitahina intsony ny vahoaka, hoy ity solombavambahoaka ity, amin’ny famafazana lainga fa hoe depiote 80 no tonga nandatsa-bato tamin’iny fitsipaham-pitokisana iny. Ny fampahalalan-dalàna ny vahoaka tsy azo atao ambanin-javatra ka mahatoky izahay fa mahalala ny tokony hataony ny HCC ka hampiseho ny fahamendrehana ananany. Olon-kendry izy ireo ka mahafantatra tsara ny zon’ny Malagasy.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.