Hanana kandidŕ any amin’ny kaominina 1693 manerana an’i Madagasikara ny HVM ka maromaro ireo anarana efa fanta-daza tany aloha tany mbola miverina mirotsaka. Anisan’izany Atoa Rajaonasolo Clovis Arthur avy etsy Ambohidratrimo.
Na dia efa nahavita “mandat” maromaro aza dia mbola tapakevitra ity ben’ny tanàna am-perinasa ao amin’ny kaominina Ambohidratrimo hirotsaka indray saingy amin’ity indray maka ity dia mirotsaka amin’ny anaran’ny antoko HVM izy. 15 taona ny naha filohan’ireo ben’ny tanàna ahy eto amin’ny Faritra Analamanga, hoy izy, ka sahiko ny milaza fa tsy misy faneriterena izany ny firotsaha ho kandidàn’ny HVM fa nisy fifampiresahana mazava teo amin’ny antoko sy izay olona hirotsaka hofidiana. Ny tena tanjona dia ny hampakatra ny lanjan’ny ben’ny tanàna tsirairay sy hametraka azy eo amin’ny toerana sahaza azy eto amin’ny firenena. Izay fitondrana manao tsinontsinona ben’ny tanàna dia efa manisa andro eo amin’ny toeram-panapahany fa izy ireo no tena mahafantatra ny zavatra rehetra ifotony. Milaza amin’ny namana HVM aho fa tonga ny fotoana hanovana ny tsy nety teo amin’ny fanaovana politika hatrizay. Ny tenako tsy hoe mpanara-drenirano ny fitondrana fa rehefa misy tsy mety ataony dia mitsangana miteny aho. Tsy hitarika ny olona hanohitra ilay fitondrana anefa fa manome soso-kevitra amin’izay tsy mety. Raha ny marina dia manao balizy toa ny mpanao gazety ny tenako mba hahatsiarovan’ny mpitondra fa misy mivily lalàna ny zavatra ataony. Amiko rehefa misy tanjona iray notratrarina dia iny no banjinina ka raha tsy mandeha amin’ny nifanarahana ny atao dia aleoko misaraka moramora. Efa ela nietezana tamin’ny fitantanana kaominina ny tena hoy Atoa Clovis Arthur ka sahy milaza fa afaka mampandroso ny faritra misy azy ny ben’ny tanàna iray raha manam-piniavana sy ampy fitiavana ny toerana misy azy. Ben’ny tanàna fantatra fa tena hahavita no ilaina araka izany fa tsy olona mahay mikabary mandresy lahatra ny programa fotsiny, ben’ny tanàna mahay mifampiraharaha aman’olona, ben’ny tanàna tsy miavona amin’ny vahoaka nifidy azy ary tsy be teny fa miasa. Ben’ny tanàna mitsikaraka fa tsy miandry toloram-potsiny an’izay fanampiana mety ho azo. Fantatro avokoa ny asa nataon’ireo ben’ny tanàna eto Analamanga amin’ny naha filohan’izy ireo ahy efa nambarako teo ka raha nisy zavatra mety tsy nandeha tao amin’ny sasany aoka mba ho efa ampy azy ireo ny fampiatoana vonjimaika amin’ny asany hanitsiana azy fa tsy hiitara lavitra. Ho an’ireo sefom-pokontany indray dia tena tokony hofidiam-bahoaka izy ireo mba hananany lanja eo amin’ny fiarahamonina ary tokony mba hifandanja amin’ny asa ataon’izy ireo tahaka ny fanakotabana andro alina mamaha olana samihafa sns… fa tsy ho vitan’izay 2 alina ariary monja no hanakaramana azy ireo. Raha ny soso-kevitray dia aleo atao anaty tetibolan’ny kaominina izy ireo dia izahay no mandoa ny karamany. Ny lalàna anefa hatreto dia mamaritra fa tsy ao anatin’ny rafitry ny vondrom-bahoaka izy ireo ka tsy maintsy tendrena aloha hatreto.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.