Nihaona teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha omaly, ny filoha Hery Rajaonarimampianina sy Atoa Marc Ravalomanana . Tamin’ny 11 ora no nigadona teny an-toerana i Dada, tsy nisy resaka firy fa tonga dia niditra tao an-dapa, nirindrina ny varavarambe.
Toekarena, MBS, Tiko
Tsy afaka nanatrika ny fihaonana ny mpanao gazety, nijanona tety ivelany ihany koa ireo mpanaradia fa tsy afaka niditra. Iray ora sy telopolo minitra no naharetan’ny fihaonana teo amin’ny roa tonta ka ny endriky ny filoha Ravalomanana miramirana nivoaka ny trano no namisavisana fa nifankahazo ny resaka ary tamim-pirahalahiana tokoa. Teny indraim-bava no noresahan’Atoa Marc Ravalomanana tamin’ny mpanao gazety dia ny hoe : anisan’ny noresahana ny momba ny fahamarinan-toerana eo amin’ny toekarena mba hampandrosoana ny firenena malagasy. Tao anatin’ny lahadinika ihany koa ny resaka manodidina ny fanokafana ny haino aman-jery MBS sy ny Tiko, izay tahaka ny fambara sahady fa afaka hiasa malalaka ny MBS matoa nanao andrana teknika fa tsy misy hoe akatona izany indray. Ankoatra izay dia inoana fa niresaka ihany koa ny momba ny tontolo politika sy ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny izy mirahalahy, indrindra fa ny mahakasika ny fifidianana kaominaly.
Ilain’ny firenena
Ny ampitson’ny fihaonana teo amin’Atoa Ravalomanana Marc sy ireo masoivoho Amerikanina sy Japoney izany dia nihaona tamin’ny filoham-pirenena izy afak’omaly ihany koa moa dia nisy delegasionina Amerikanina mafonja notarihan’ny masoivohony Robert T Yamate nihaona tamin’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina teny Iavoloha. Tsy tongatonga ho azy na fifanandrifian-javatra izany rehetra izany, hoy ny mpanara-baovao fa misy dikany manokana. Tranga izay manamafy fa anisan’ireo olona manana ny maha izy azy eto Madagasikara i Marc Ravalomanana ary ilaina amin’ny fanarenana ny firenena. Azo raisina fa fampisehoana ny famadihana ho asa ny fampihavanam-pirenena ihany koa izao satria ilaina ny fifanomezan-tanana eo amin’ny rehetra mba ho fampandrosoana ny firenena.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.