Politique

Rajaonarimampianina sy Ravalomanana Hiaraka hiasa amin’izay…


  • Alatsinainy 19 Janoary 2015

“Aza maika fa mijoroa ho vavolombelon’ny fitiavan’Andriamanitra … tsy ho vita vetivety ny fampihavanana fa ento am-bavaka, mbola eny an-tokotany isika izao. Fohy anefa izany lalana izany raha mitondra am-bavaka isika”, hoy ny filohan’ny mpiandraikitra foibe Fjkm ny mpitandrina Lala Haja Rasendrahasina teny amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina omaly maraina nandritra ny fanompoam-pivavahana goavana ho fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny taom-piasana 2015 ho an’ny Fjkm isaky ny alahady fahatelon’ny volana janoary.

Fototry ny Finoana

Nitarika ny fotoana ny tonian’ny Departemantan’ny fiangonana ny Mpitandrina Radimisaon Jonah.  Niompanan’ny toriteny ny voasoratra tao amin’’i Jaona 15/1-8 ka nitondran’ny mpitandrina tonian’ny Sampana fifohazana Rakotondramanana Arijaona ny hafatra ho an’ny mpino. Voalaza ao ny mahakasika ilay voaloboka sy ny rantsany. Nambaran’ny mpitoriteny fa io dia tranga iray nanambaran’i Jesoa ny tenany. Anisan’ny banjinin’ny Fjkm amin’ity volana Janoary ity ny lohahevitra manao hoe : fototry ny finoana ny Tompo. Noho izany dia hitaona antsika hanana firaisana amin’ny Tompo izany, hoy ny mpitoriteny ary manantena antsika hamokatra bebe kokoa ho azy izy. Tsy ho diso làlana ianao rehefa tafatoetra amin’ny Tompo. Rehefa mahavokatra bebe kokoa dia mariky ny fanambinana izany.

Fampihavanana tena izy

Nanatrika izao fotoam-bavaka lehibe izao ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampiania sy Rtoa vadiny ary ireo mpiara-miasa akaiky aminy. Nampiavaka ny fotoana ihany koa ny nahitana indray an’Atoa Marc Ravalomanana, izay filoha mpanampy eo anivon’ny foibe Fjkm ary efa ho 6 taona izao tsy tafiaraka tamin’ny Fjkm, narahabaina manokana moa izy. Teo am-piravana kosa no nanamafy ny filoha Hery Rajaonarimampianina izay zanaky ny Fjkm moa fa  efa nanomboka ny fampihavanana  ary ao anatin’ny fanavaozana ao anatin’ny tsirairay no hanohizana izany ka hitohy isan’andro izy io. Tazana ho nifampiresaka sy nifankahazo tsara ny filoha Rajaonarimampianina sy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, izay samy nampiseho fa efa fotoan’ny fampihavanana sy ny fifanomezan-tanana izao, ary mety efa fotoan’ny fiaraha-miasa amin’izay. Tsy nisy moa ny kabary politika io omaly io saingy azo antoka fa misy dikany goavana amin’ny mety ho fitohizan’ny hetsika fampihavanam-pirenena ny nitranga omaly teny Mahamasina iny.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT