Mbola samy mametra-panontaniana ny rehetra hatramin’izao hoe: inona tokoa no antony nanilihan-dRajaonarimampianina an’i Andry Rajoelina taminin’ny 2014 ?
Nihevitra ny filohan’ny tetezamita teo aloha sy ny ekipany fa hataony filoha saribakoly i Hery Rajaonarimampianina, ka na kabary aza nosoratana mialoha dia nasaina novakiany tamin’ny propagandy fihodinana voalohany. Raha araka ny karo-baovao natao mantsy dia fantatra fa izy ireo no nikasa hibaiko ny politikam-pampandrosoana sy ny politika ara-pifandraisana amin’ny any ivelany. Tsy nanaiky lembenana kosa i Hery Rajaonarimampianina rehefa lany filoha. Tsy hisy hanaiky izany mihitsy ary lojika ny nataon-dRajaonarimampianina na iza na iza teo amin’ny toerany. Efa naneho hevitra mifandraika amin’io ny kandida ho filoham-pirenena Randriamampionona Joseph Martin na Dadafara, fa nokendrena haongana 6 volana taorian’ny fahalaniany aza i Hery Rajaonarimampianina, ka i Andry Rajoelina no haka ny fahefana. Tsy navela nandrotsaka depiote ny filoha ankehitriny tamin’izany, ka nihevitra ny MAPAR fa izy ireo no hahazo ny toeran’ny praiminisitra amin’ny maha maro an’isa, ka tamin’izay no saika hitondrana ny fanonganana, raha ny nambaran-dRandriampampionona Joseph Martin, saingy tsy nahomby ny tetika. Mafy tamin-dRajoelina izany hoe ny olona minisitra teo ambany fifehezany no ho lasa amboniny, saingy tsy maintsy niainany. Tsy fidiny ho azy ny fanerena amin’ny fananterahana fifidianana, ary henatra ho azy ny fiantsoana azy ho “Putchiste” na mpandroba fahefana, ka dia mba mikofokofoka amin’izay mba ho lany ara-pomba demokratika. Ny tantara anefa tsy azo kosehina, ary tadidin’ny Malagasy tsara ny famotehana manara-penitra nataon’ny fitondran’ny FAT teto.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.