Tany Ambato Boeny ny filoha Hery Rajaonarimampianina nitokana fotodrafitrasa momba ny fahasalamana ary nandalo tao Madirovalo nihaona sy nihaino ny hetahetan’ny mponina, raha ny fampitam-baovao.
Iray amin’ireo kaominina 1700 manerana ny nosy i Madiravolo, ary 200 hatreto no voatsidik’i Hery Rajaonarimampianina na eo aza ny ambara fa faniriana hatrany hanakaiky ny vahoaka. Ny marainan’ny alakamisy 17 mey teo, dia voalaza fa nahazo ny tsodranon’ny taranak’Iadamalandy ampanjaka nanana ny naha izy azy fahiny mba hahafahany mamita ny iraka sy adidiny amin’ny fikatsahana ny soa ho an’ny Malagasy. Ankizy madinika hatrany no nasaina nilanja sorabaventy milaza ny fanohanana ny filoha, toy ny natao tany Faratsiho herinandro vitsy izay. Fampanantenana maro no nataon’ny filoha tany an-toerana, toy ny fanamboarana efitranon-tsekoly, ny fanomezana solosaina nangatahan’ny ben’ny tanàna, “panneaux solaires”, ka ireto farany dia nambarany fa ho avy afaka 2 herinandro. Nanolotra vola 25 tapitrisa ariary ihany koa ho tolo-tanana ho amin’ny fanamboarana lakandrano ilaina amin’ny fambolena … Manoloana iny dian’ny filoha tany Madirovalo iny, dia nilaza kosa ny depiote Tinoka Roberto teny an-kianjan’ny 13 mey omaly, fa mody namangy ilay mera maty Rajaonarimampianina. Mody nitokana hopitaly fa ny nalehany tany, ary loharanom-baovaon’ny zandarimaria io, hoy izy, dia nangataka ary nanao voady tany mba tsy hiala. Any an-toerana rahateo no misy ny doany malazan’Iadamalandy resahin’ny hiran’ny tarika Mahaleo. Io doany io tsy mandray voadin’olona mpanao ratsy sy mpamono olona, hoy ny teny mivaivain’ity depiote ity. Mikasika ny dian’ny filoha sy ny fanaovana ny faritra maro ho faritra mena eto Antananarivo, dia izahay miteny amin’ialahy, fa manomboka izao dia ataonay “zone rouge” ihany koa ny any amin’ny faritany rehetra any tsy mahazo mankany intsony, hoy izy mantsy an-dRajaonarimampianina. Mandehana anie any manomboka izao, dia ho hitantsika eo, hoy izy teny an-kianja.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.