Politique

Rajaonarimampianina Hery Niantso fiaraha-miasa ho fampandrosoana ny firenena


  • Talata 02 Jona 2015

Nitarika ny lanonana fanoloran’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ireo moto tao amin’ny distrikan’Ambohidratrimo omaly ny filoha Rajaonarimampianina Hery. Fotoana izay nanararaotan’ny filoham-pirenena Malagasy

 

nitondrana fanazavana mikasika ny kihon-dalana lalovan’i Madagasikara amin’izao fotoana izao eo am-piandrasana ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana taorian’ilay fitoriana napetrak’ireo solombavambahoakan’i Madagasikara fiampangana fandikana ny Lalàna fototra nataon’ny filohan’ny Repoblika. Tsy mora ny lalana nizoran’ny vahoaka malagasy mba hivoahana amin’ny krizy nanomboka tamin’ny taona 2009 izay niafara tamin’ny fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka ny taona 2013. Efa mipetraka ny fifampitokisana eo amin’ny mpitondra Malagasy sy ny sehatra iraisam-pirenena rehefa naharitra herintaona mahery ny fifandresen-dahatra. Fatiantoka goavana ho an’i Madagasikara ny fifanolanan’ny samy andrim-panjakana miseho ankehitriny, hoy ny filoham-pirenena Rajaonarimampianina Hery. Ny tenany izay niantso amin’ny fiaraha-miasa ho fampandrosoana ny firenena.


Nangonin-dRamano F. 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT