Lasan’ny Tiako i Madagasikara ny toeran’ny Ben’ny tanŕna ao amin’ny Kaominin’ny renivohitry ny Distrikan’Antanifotsy – Vakinankaratra.
Rajao Martin no nitarika ny lisitra tamin’ny 31 jolay 2015 ary nitondra mankany amin’ny fahombiazana. Nahazo mpanolotsaina roa ihany koa ny TIM. Olona diso mahalala loatra an’Antanifotsy i Rajao Martin. Nandalo an-tanan-tohatra ara-potika samihafa izy no tonga amin’izao toerana izao, natokisan’ny filoha Marc Ravalomanana sady maro mpanohana indrindra ny fikambanana Miorimpaka Hanasoa. Efa lefitry ny Ben’ny tanàna ary efa mpanolotsain’ny tanàna ihany koa. Maika aminy ny fampandrosoana an’Antanifotsy ary isan’ny asa laharampahamehany ny fanadiovana sy fandaminana ny tsena. Misokatra amin’ireo izay vonona hampandroso an’Antanifotsy ny fiaraha-miasa, hoy izy. Niarahaba manokana an’ireo Ben’ny tanàna Tiako I Madagasikara voafidy nanerana ny Nosy ny tenany, indrindra i Neny Lalao Ravalomanana izay voafidy teto Antananarivo renivohitra.
Jean D.
Rajao Martin
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.