Sanatria ve hisy maty
`Reo noheverina hampihavanina,
Vao hapetraka ny daty
Ry mpitondra mody fanina ?
Dia `lay daty izay nandrasan`
Ireo tia ny tanindrazana,
Handevenana ao am-pasana
Ny ady nampisara-bazana ?
Sa izay no tianareo
Vao hoe hatao ny fampihavanana ?
Fa tsy tianareo ho eo
I Marc Ravalomanana ?
Miandry valiny izahay
Fa tena tsy mikoso-maso.
Tsy izy intsony f`aoka izay
Ny lainga sy ny andrasoandraso.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.