Ny fikatsahana mandrakariva izay hampandrosoana ity nosin-drazantsika ity, no politika himasoanay
, hoy ny Depiote Raherisoa Vololona Victorine voafidy teny amin’ny Boriborintany faha-6 teto Antananarivo Renivohitra, ka izany no hanohananay ny politika naroson’ny fitondram-panjakana mandraka ankehitriny ary anisan’ireo tsy nisalasala nanao sonia an’ilay «Mémorandum» izahay noho izany. Amin’ny maha filohan’ny fikambanana Affami koa anefa dia tsy mitsahatra ny mijery ny sosialim-bahoaka ny tenako, ka manampy ny mpiara-belona sy ireo fikambanana samihafa amin’ny fijerena izay maharary ny sosialim-bahoaka izay. Mavesa-danja amiko io sosialim-bahoaka io.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.