Tena mety aminay tsara le fanapahan-kevitra navoakan’ny Hcc farany teo mikasika ilay lalàna 2015-004 saika hizarazarana ho 6 an’Antananarivo Renivohitra iny, hoy ny depiote Raharimanarivo Voahanginiaina avy amin’ny vondrona parlemantera
Ravalomanana. Izahay aza tamin’ny nifidianana azy iny dia efa nivoaka ny efitrano fivoriana fa tsy nankasitraka an’ilay izy mihitsy. Ny zavatra mety hitranga izany izao ary hirarian’ny vahoaka koa dia mijanona amin’izao ilay maha kaominina tokana an’Antananarivo Renivohitra, fa mba hatsaraina kosa izy io ka hampiana ny fahefan’ireo delegue au maire 6 dia hifanahantsahana ny fampandrosoana tadiavina sy ny andraikitra hatao. Raha ny resaka distrikan’Atsimondrano misy ny tena indray dia hiaraha-mahita fa tena simba avokoa ny lalana rehetra, na ny Rip izany na ny lalana kaominaly. Na dia tsy andraikitry ny solombavambahoaka aza ny manao lalana fa an’ny mpanatanteraka dia tsy afaka ny tsy hiloa-bava ny tena manoloana ny zava-misy ka tsy mampirisika azy ireo hanao zavatra tsara ary maharitra sy mitsinjo ny lavitra fa tsy hanao zavatra tandrametaka tahaka ny hita ankehitriny.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.