Omaly vao tena niteny mazava ny fitondram-panjakana malagasy tamin’ny alalan’ny minisitry ny fitsarana Rtoa Ramanantenasoa Noeline fa naato mihitsy aloha ny resaka raharaham-pitsarana momba ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana
Noho ny fampihavanam-pirenena izay atrehana amin’izao fotoana. Fandaminana ara-politika no natao, hoy Ramatoa minisitra satria tanjona ny mizotra mankany amin’ny fitoniana sy filaminana amin’ny alalan’ny fampihavanam-pirenena. Izay izany no antony nampangina tanteraka ilay vokatry ny fanadihadiana momba ny fomba nahatongavan’i Marc Ravalomanana teto Madagasikara. Tsy maintsy vita ny fampihavanam-pirenena, tsy maintsy vita ny fifidianana, izay no resaka teny amin’ny Carlton omaly. Mampieritreritra kosa anefa hoe rehefa vita ve izany rehetra izany dia antsoina hiatrika fitsarana amin’izay ity filoha teo aloha ity sa dia fifandaminana any anatin’ny diniky ny fampihavanam-pirenena ihany dia efa ampy ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.