Politique

Raharaham-pirenena Samy mangina na ny FFM na ny FFKM


  • Alarobia 03 Jona 2015

Raha mifanasa vangy, mifanebaka imasom-bahoaka ny samy olomboafidy eny anivon’ny andrimpanjakana eo anatrehan’ny fiampangan’ny solombavam-bahoaka ny filohan’ny Repoblika ho manohisosy ny lalampanorenana ka tokony hoverezin-jo hiato amin’ny

 

asany sy eo ampiandrasana izay ho avalin’ny Fitsarana avo momba ny lalampanorenena mikasika ny fangatahana napetrak’ireo depiote dia samy mangingina tsy andrenesam-peo na ny FFM (Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy) izay andrimpanjakana mijoro ara-dalàna hanao ny fampihavanana na ireo raiamandrenim-piangonana eo anivon’ny FFKM (Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina Malagasy). Raha nanontaniana ny anton’io fahanginana io ny filoha amperinasan’ny FFKM sady filohan’ny FJKM pastera Lala Rasendrahasina dia nilaza fa «tsy mbola nivory izahay filoham-piangonana efa-dahy, ka tsy mbola manan-kambara». Mikasika ny hoe niantso ny FFKM ny mpanao politika na ny sehatra iraisam-pirenena mba handamina na hanao fanelanelanana, dia fohy sady tsotra ny tenin’ny pastera Lala Rasendrahasina : «tsy mbola nisy hatreto». Ny zokilona eo anivon’ny FFM, Rakotoson Jobily, no naneho hevitra fa «tsy mangina na mipetra-potsiny ny FFM fa miparitaka any amin’ny Faritra misy azy avy avokoa izao ny mpikambana, fa ny birao maharitra no eto Antananarivo. Raha misy ny teny tokony holazaina dia ny antso ho amin’ny fitoniana sy ny fanajana lalàna” hoy hatrany i Rakotoson Jobily.


Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT