Politique

Raharaham-pirenena Nambanian’ny prezidansa tanteraka ny depiote


  • Zoma 29 Mey 2015

Na dia somary mangingina ihany aza ny eny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza eo am-piandrasana ny valin-teny avy amin’ny HCC dia hita ho mangotrakotraka ihany ny adihevitra miseholany etsy sy eroa.

 Tsy misy fahavanonany ny fivoriana ara-potoana hatrehan’ireo solombavambahoakan’i Madagasikara eny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza ankehitriny. Fivoriana etsy sy eroa hifanaovan’ireo ankokafin-kery samihafa  misy no mitranga eny an-toerana eo am-piandrasana ny valin’ny fitoriana nataon’izy ireo eny amin’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana amin’ny tokony hanesorana amin’ny toerany ny filohan’ny Repoblika noho ny tsy fanarahan-dalàna be dia be nataony, araka ny hevitr’izy ireo. Manana ny rariny izahay solombavambahoaka, hoy ny hevitr’izy ireo ary tsy tongatonga ho azy izao zava-miseho izao. Hatramin’izay nahatongavan’Atoa Hery Rajaonarimampianina teo amin’ny fitondrana nandritra izay 18 volana izay, hoy ireto solombavambahoaka ireto, dia tsy nanao afa-tsy nanambany ny depiote foana ny teny amin’ny prezidansa. Nolazaina fa tia tena sy mpandany volam-bahoaka fotsiny izahay depiote. Tsy nomena hasiny mihitsy ity andrim-panjakana mpanao lalàna ity, hoy ny feo heno teny Tsimbazaza, satria rehefa nanao tolo-dalàna toy ny resaka CENI sy fanomezan-tany natolotry ny namana Jao Jean izay efa napetraka tany amin’ny desambra 2014 tany dia tsy nahazo valiny mihitsy avy amin’ny governemanta nefa 30 andro no fotoana tokony hamalian-dry zareo izany. Rehefa voafidy anefa ireo tolo-dalàna ireo dia ny ekipan’ny prezidansa mihitsy no nitabataba tamin’ny filohan’ny Antenimiera sy mandrahona ny handravana ity rafitra ity nefa ry zareo no tsy nanao ny asany. Nobahanana foana tsy hanao ny asa fanaraha-maso ny mpanatanteraka tokony hataony  ny Antenimieram-pirenena toy ny raharaha dahalo any Atsimo, ny raharaha Sucoma, Jirama ary Air Madagascar. Ireny rehetra ireny, hoy ireo solombavambahoaka, no nahatonga ny fanapahan-kevitray hametraka fitoriana ny filoham-pirenena. Etsy an-kilan’izay ny vahoaka malagasy mihevitra ny asan’ny mpanatanteraka ho tena tsy mandroso mihitsy.

Ntsoavina Evariste

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT