Politique

Raharaham-pirenena Manomboka ny don-tandroka


  • Alarobia 14 Novambra 2018

Ao anatin’ny vanim-potoana mafana ny tontolo politika noho ny voka-pifidianana no mandray fanapahan-kevitra izay tsy hitondra fitoniana ny fitondram-panjakana.

 

 

 

 Tafiditra ao anatin’izany, ohatra, ny taratasy fandrarana fivoahana any ivelany mahazo mpandraharaha iray, izay nanomboka nalaza sy fantatry ny olona tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina, saingy nanapa-kevitra ny hiara-dia amina kandida hafa fa tsy nanohana ny manga no sady tsy niaraka ihany koa tamin’ny volom-boasary. Tsy fantatra mazava izay tena antony, izay tombanana avy hatrany ho tafiditra ao anatin’ny kapa ranjo ara-politika na don-tandroka. Amin’ny maha akaiky ny kandida iray azy mantsy, dia heverina ho tetika iray entina handemena azy izao fikitihana ny mpanohana izao matoa ary aty anaty vanim-potoana tena mampafana ny toe-draharaham-pirenena no isehoany. Karazana fandrehetana afo ara-politika ihany koa. Nahoana no izao no isehoan’ny fanenjehana fa tsy efa natao hatrizay raha tena misy tokoa ny vesatra sy antony hanenjehana mpanao politika iray ? Nisy ihany koa tetsy an-kilan’izay ny savorovoro teny amin’ny foiben-toeran’ny kandida iray ka nifamalian’ny samy mpanao gazety. Misy efa milaza ihany koa ireo olona mpanara-dia an’i Marc Ravalomanana fa mahazo fandrahonana izy ireo ary efa fantatra ihany ireo mampihorohoro sy mihevi-tena sahady fa efa tompon’ny  fahefana amin’izao fotoana. Mampiahiahy ny zava-mitranga , hoy ireo olona tratry ny don-tandroka sy antsojay amin’izao fotoana satria tsy mbola eo amin’ny fitondrana akory ny sasany dia efa mitady hanao didin’ny besandry. Ny fihodinana faharoa, izay azo antoka fa tsy maintsy irosoana tsy vita akory dia efa manao fety fa hoe naharesy, tahaka ny hoe efa nahafantatra mialoha ny voka-pifidianana ve izy ireo sa ahoana ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT