Nisesy ireo vahiny namita iraka teto Madagasikara nandritra ny volana aprily hatramin`izao amin`ny hanaovana fampihavanana eto amintsika. Nandalo avokoa ny delegasionina teo amin`ny Firenena Mikambana, Vondrona Afrikanina, SADC…
saingy tsy nisy nahenoana tatitra nandritra ny diany teto an-toerana. Miombon-kevitra kosa izy ireo fa amin`ny maha raharaha sarotra tahaka izao mitranga eto amin`ny firenena dia ny fanelanelanana ihany no fototry ny vahaolana. Mbola mampirisika hatrany ny iraisam-pirenena amin`ny fifampidinihana amin`ny samy Malagasy. Tsy mbola fantatra mazava anefa ny fijerin`ny iraisam-pirenena manoloana ny zava-misy eto Madagasikara. Na tsy mbola voafaritra aza ny fizotran`ny fifidianana dia mitazona ny rafitra napetraka hitazomana ny fandriampahalemana (paix sociale) ny iraisam-pirenena. Tsy voaresaka intsony tokoa ny hoe tsy maintsy misy fifidianana amin`ity taona ity. Mbola voahaja angamba io rafitra io matoa tsy miditra lalina izy ireo. Raha niditra lalina mantsy izy ireo dia mety efa nilatsaka ny sazy toy ny sazy ara-diplomatika. Ohatra hoe mety tsy ho afaka hanatrika ireo fihaonambe isan-karazany amin`ireo vondrona any ivelany i Madagasikara. Eo ihany koa ny sazy ara-toekarena, toy ny tamin`ny taona 2009 izay niafara tamin`ilay “barrage douaniere” ka nahatapaka ny findramam-bolam-panjakana amin`ny ankapobeny. Momba ny fanelanelanana ataon`ny sehatra iraisam-pirenena hatrany dia mazava ny hevitr`ireo depiote ho an`ny fanovana fa tsy mahavaha olana ny vahiny tonga eto ary nohamafisin`ny depiote Hanitra Razafimanantsoa fa tsy hanaiky ny hobaikoin`ny iraisam-pirenena intsony ny Malagasy nandritra ny lahateniny teny amin`ny kianjan`ny 13 mey ny sabotsy lasa teo. Raha zohina dia tsy ny fampihavanana ary ny fikarohana ny zava-marina eto amin`ny firenena, mialoha ny hihavanan`ny Malagasy no hisy fa izay mety amin-dry zareo vahiny. Midika ve izany fa nandaitra ny famoretana nataon`ny depiote ho an`ny fanovana ? Mihamafy foana ny fitakiana eny amin`ny kianjan`ny 13 mey ary andrasana ihany koa ny fanelanelanana amin`ny samy Malagasy.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.