Politique

Raharaha Tiko – Fanotofana tany Raikitra ny “face-ŕ-face”


  • Zoma 02 Oktobra 2015

Mitohy ny fifanakalozan-kevitra tanterahan’ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc amin’ireo tompon’andraiki-panjakana ambony Malagasy

 

. Taorian’ny fandalovany teny amin’ny Antenimieram-pirenena Tsimbazaza ny alarobia tolakandro lasa teo dia naharitra ora iray mahery indray ny fifampidinihana teo amin’ireo filoha nasionalin’ireo antoko roa lehibe eto Madagasikara Ravalomanana Marc sy Rakotovao Rivo teny Anosy omaly.Nibahan-toerana ny fomba hisian’ny fiaraha-miasa eo amin’ny Tiako I Madagasikara sy ny Hery Vaovaon’i Madagasikara ho fampandrosoana ny firenena. Samy naneho ny fahavononany hampitovy ny tadin-dokanga amin’ny fikatsahana ny fampivoarana ny fiainan’ny mpiray tanindrazana moa ny roa tonta.Nifanaraka ny hifanatona sy hifanazava hatrany ireto lehiben’antoko TIM sy HVM ireto hifanakalo hevitra samy hafa na fomba fijery tsy mitovy.

Orinasa Tiko

Noresahan’ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc tamin’ny minisi-panjakana Rakotovao Rivo ihany koa ny mikasika ny Tiko. Hijery ny momba azy io miaraka amin’ireo tompon’andraikitra samihafa ity farany, araka ny fanazavana azo teny an-toerana. Resy lahatra ny amin’ny tsy maintsy hisokafan’ity ozinina mpamokatra ronono sy dibera vita Malagasy efa ho 40 taona ity rahateo ny mpitantana sady mpanorina ny orinasa.

Fanotofana tany

Amin’ny alalan’ny APIPA fa tsy avy amin’ny minisiteram-panjakana misahana ireo Tetikasan’ny filoham-pirenena, ny Fanapariaham-pahefana sy ny Fampitaovana ireo fanotofana tany amin’ny alina eto an-drenivohitra amin’izao fotoana izao, araka ny valin-teny mangarahara azon’ny filoha teo aloha tamin’ny minisi-panjakana. Efa nipetraka hatramin’ny taona 2000 fony Ravalomanana Marc ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra ny tsy azo hanotofana ireo toerana fiandronan-drano. Fadiranovana avy hatrany mantsy ireo mponina eny amin’ny faritra iva amin’ny vanim-potoana fiakaran’ny rano. Efa nampitandrina sahady ireo mpandika lalàna tsy nahazo fahazoan-dalana moa ny filoha nasionalin’ny antoko Tiako I Madagasikara teo anoloan’ny minisitra tompon’andraikitra. Nampanantena moa ity farany fa hifanome tanana amin’ny mpitantana vaovao ny renivohitr’i Madagasikara amin’ny fanatsarana sy fampandrosoana ny tanàna sy ny mponina ao aminy.

Ramano F.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT