Tantara mitohy ny an’ny Tahirimbolam-panjakana. Tsy nampiverin-dalana ny mpiasa ny fahavitan’ny famindran-draharaha teo amin’ny Tale jeneraly teo aloha Robimanana Orlando sy ny nasolo azy Feno Jean Pierre, fa milaza ny “hanohy ny tolona” izy ireo
. Tsy naharesy lahatra ny mpiasa fa vao mainka aza nampitombo ny ahiahin’izy ireo ny fanazavan’ny minisitry ny fitantanam-bola sy ny tetibola Rakotoarimanana François Marie Maurice Gervais nitetezany haino aman-jery ny faran’ny herinandro teo, nilaza fa fanapahan-keviny manokana ny nanalana ny Tale jeneraly Robimanana Orlando ary “tsy tokony haharitra amin’ny toerany ny tompon’andraikitra mikirakira vola be” toy io. Tsy ny fifandimbiasan-toerana no olana eto, fa teo amin’ny fomba sy fotoana nanatanterahana azy no mampametra-panontaniana. Tsy nampiarahana tamin’ny Tale jeneralin’ny hetra sy ny Tale jeneralin’ny ladoany ny fanesorana azy, fa nihazakazahana nesorina rehefa nisakana ny fikasan’ny minisitra avy amin’ny antokon’ny fitondrana hamoaka vola 40 miliara tao amin’ny Tahirimbolam-panjakana. Fikasana izay sady tsy nanara-dalàna no tsy vonona tao akory ny vola, izay raha ny fantatra dia 6 miliara avy amin’ny volan’ny Seranan-tsambon’i Toamasina ary 34 miliara avy amin’ny Tahiry fikojakojana ny lalana (FER). Raha ny fahafantarana ny adidy aman’andraikitry ny Tale jeneralin’ny Tahirimbolam-panjakana rahateo dia tsy anjarany ny mikirakira vola be fa andraikitry ny “Comptable public”, ary izay no antony anaovan’ity farany fianianana mialoha ny handraisany ny asany, tsy manao fianianana kosa ny Tahirimbolam-panjakana. Ny anjaran’ity farany dia ny mijery ny laharampahamehana miankina amin’ny toe-bola ao amin’ny Tahirimbolam-panjakana, izany hoe raha misy vola tokony haloa nefa tsy ampy ny ao amin’ny kitapom-bola dia ny Tale jeneraly no mamaritra hoe : itsy na iroa aloha ny tokony halefa. Izay no tsy nahavoarohirohy an’i Robimanana Orlando tamin’ilay fikasan’ny sasany hamoaka volabe 16 miliara an’ny BCMM tao amin’ny Tahirimbolam-panjakana. Ka mikirakira vola be inona no tian’ny minisitra hambara ?
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.