Politique

Raharaha Ravalomanana Nodinihana nandritra ny 3 ora teny Iavoloha


  • Talata 21 Aprily 2015

Nihaona teny Iavoloha nandritra ny ora 3 be izao omaly maraina ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina sy ny mpiandraikitra foibe avy amin'ny Fjkm, notarihan'ny filoha mpanampy ny mpitandrina Zarazaka Jean Louis. Nitondra hafatra avy amin'ny Foibe Fjkm mikasika ny tokony hanomezana fahalalahana tanteraka ny filoha mpanampy Ravalomanana Marc

 


 

 no anton’ny fihaonana, ary tohin’ny lojikan’ilay taratasy avy amin’Atoa Marc Ravalomanana izay navantany any amin’ny mpitandrina Lala Rasendrahasina sy ny mpiandraikitra foibe ao amin’ny Fjkm. Tsy azon’ny mpanao gazety natrehana ny fihaonana nihidy aman-trano ary tsy nisy nipika ny resaka. Ny hany fantatra dia manodidina ny fanomezana fahalalahana tanteraka ity filoha teo aloha ity ny dinika ary mety niresahana ihany koa ilay didim-panjakana navoaka tamin’ny 24 desambra 2014 momba ilay antsoina hoe « assignation à résidence fixe » nampiharin’ny fanjakana tamin’i Marc Ravalomanana.

Tsy afaka manao izay tiany

Asa aloha raha nahafantatra na tsia ny fisian’io fihaonana teny iavoloha io ny praiminisitra, fa omaly antoandro izy dia nilaza mazava fa : « tsy afaka manao izay tiany ny filoha teo aloha, mbola manan-kery ny didim-panjakana nivoaka tamin’ny 24 desambra 2014, ary tokony hanaja an’io izy satria tany tan-dalàna ny eto Madagasikara ». Betsaka ny ezaka efa nataon’ny fitodram-panjakana, hoy ny praiminisitra, tafiditra ao anatin’ny fampihavanam-pirenena ny fandinihana ny momba ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, hoy izy. Midika ve izany fa tsy hisy mihitsy ny fanafoanana ilay didim-panjakana fa dia miandry izay fehin-kevitra hivoaka aorian’ny fihaonambe hotanterahana eny amin’ny CCI Ivato manomboka ny 28 aprily izao vao ho fantatra ny ho fiafaran’Atoa Ravalomanana ? Mety hisy ve ny fepetra tetezamita horaisina momba azy, ary mety mbola afaka mihaona aman’olona sy miresaka politika ihany ve izy sa tsia ? Hatreto aloha dia fepetra napetrak’i Marc Ravalomanana sy ireo mpanara-dia azy mba hiverenan’izy ireo ao anatin’ny diniky ny fampihavanam-pirenena ny fanafoanana madiodio ilay didim-panjakana laharana 2014-1942. Mety hanova zavatra haingana ihany koa anefa ny fidiran’ny Fjkm an-tsehatra amin’ny fitakiana ny hanomezana fahalalahana tanteraka ity filoha teo aloha ity. Ho hita eo ny tohiny.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT