Politique

Raharaha Ravalomanana Niditra an-tsehatra ny iraisam-pirenena


  • Alatsinainy 10 Novambra 2014

Lasa raharaha irasaim-pirenana ankehitriny ny momba ny filoha Marc Ravalomanana, fa tsy an’ny fianakaviana Ravalomanana sy ny ankolafy misy azy irery intsony. Niditra an-tsehatra avy hatrany mantsy ny Vondrona Afrikana rehefa nifanenjana tao anatin’ny telo herinandro ny fitondram-panjakana sy ny fianakaviana Ravalomanana

Nidina tany Antsiranana nitsidika sy nifampiresaka naharitra tamin’ny filoha Ravalomanana tao amin’ny «Amirauté» toerana igiazan’ny fanjakana an’ity farany, ny solontenanan’ny Vondrona Afrikana, Rtoa Hawa Ahmed Youssouf ny alakamisy lasa teo. Ny sabotsy tolakandro ity diplaomaty vahiny ity no tafaverina teto an-drenivohitra, ka raha ny re dia io andro io ihany izy no tokony nihaona tamin’ny filohan’ny Repoblika nanao tatitra (?) na koa naka ny tena hevitra sy ny hataon’ny fanjakana marina mikasika an’Atoa Marc Ravalomanana. Manana endrika fanelanelanana ity iraka ataon’ny solontenan’ny Vondrona Afrikana mihaino ny andaniny sy ny ankilany ity. Ny antoandron’ny zoma teo moa dia nisy ny fihaonana mivantana teo amin’ny fianakaviana Ravalomanana nahitana an-dRtoa Lalao Ravalomanana, Tojo Ravalomanana ary ny minisitra Ravatomanga Rolland, tamin’ny filohan’ny Repoblika, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha. Fihaonana fanindroany teo amin’ny roa tonta io nitadiavana vahaolana mikasika ny raharaha Ravalomanana sy ny fampihavanam-pirenena. Fihaonana izay mety mbola hitohy ; samy manaiky rahateo ny roa tonta fa amin’ny alalan’ny fifanantonana sy ny fifampiresahana ihany no hamahana ity olana ity. Hamaritra ny tohiny rahateo ny tatitra nataon-dRtoa Hawa Ahmed Youssouf. Miandry ampitoniana ny fivoaran’izany ny mpomba ny filoha Ravalomanana sy ny Malagasy amin’ny ankapobeny, nefa kosa liana mandrankariva te hahafantatra ny vaovao manodidina ny filoha Marc Ravalomanana. Raha ny fanisan’andro malagasy dia iray volana katroka amin’ity anio ity izao no nisamborana tamin-kery an’i Marc Ravalomanana teo anatrehan’ny fianakaviany tao an-tranony teny Faravohitra, ary nametrahana azy ao amin’ny trano arahi-maso manokana ao amin’ny toby miaramila an-dranomasina ao Antsiranana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT