Politique

Raharaha Ravalomanana Miaramila iray nidoboka am-ponja


  • Alarobia 19 Novambra 2014

Mitombo isa hatrany ireo olona nampidirin’ny fitondrana am-ponja taorian’ny fahatongavan’ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana. Miaramila iray indray mantsy izao no fantatra fa nidoboka am-ponja any Antsiranana any.

Nirahina haka sakafon’ny filoha Marc Ravalomanana tany amin’ny hotely ity miaramila ity. Izy rahateo mpitondra fiara. Poritra anefa izy, ka nanararaotra nivalan-drano mandra-piandry ny entana hoentiny. Novidiany lafo anefa izay fihodinany kely izay, fa dia nampangaina ho niresaka na nampita vaovao taman’olona momba an-dRavalomanana izy ka nilatsaka taminy ny sazy miaramila. Migadra 21 andro, ary tsy hay ny tohiny : horoahana tsy miaramila intsony ve sa hafindra toerana ? Voaresaka nandritra ny fifanatrehan’ny governemanta sy ny solombavambahoaka tetsy Tsimbazaza omaly ity raharaha Ravalomanana ity. Maro ireo solombavambahoaka nangata-panazavana tamin’ny praiminisitra ny marina momba ny filoha Marc Ravalomanana. Manao vakansy sa manao inona any Antsiranana Atoa Marc Ravalomanana, hoy ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy. “Avereno ao Faravohitra ny filoha Marc Ravalomanana dia arovy ao izy”, hoy ny depiote Guy Rivo Randrianarisoa. Nanamafy izany ny filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena Hanitra Razafimanantsoa sy ny filohan’ny vondrona parlemantera Tiako I Madagasikara, Benjamin Andriamitantsoa. Misy rahateo ny dinika fakan-kevitra momba ny fampihavanam-pirenena karakarain’ny FFKM etsy Faravohitra hatramin’ny alatsinainy teo ary mbola mitohy anio. Mba hafahafa ihany anefa hoe tsy afaka nifampiresaka sy mifampidinika mialoha tamin’Atoa Marc Ravalomanana akory ireo olona telo misolotena azy ny amin’izay hevitra haroso sy hotohanana manodidina izany fampihavanam-pirenena izany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT