Mihazakazaka ny toe-draharaha taorian’ny nisamboran’ny Emmo-reg ny filoha Marc Ravalomanana teny an-tranony teny Faravohitra omaly tolakandro. Omaly alatsinainy alina ihany dia efa nisy ny fifampidinihana teo amin’ny fitondrana sy ny ankolafy misy azy. Araka ny fantatra dia nantsoina ho avy etsy amin’ny Toby Ratsimandrava
Andrefan’Ambohijanahary, i Me Randrianarivelo Désiré, mpisolovavan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana anio amin’ny valo ora maraina. Omaly hariva dia izy no efa nivezivezy teny nitondra ireo kojakoja madinidinika hatramin’ny fanafody ilain’Atoa Marc Ravalomanana. Ireo tranga ireo no milaza fa eto Madagasikara Atoa Marc Ravalomanana na dia nahoraka be aza ny feo omaly fa haverina any andafy izy. Nisy fiaramanidina “jet privé” rahateo tonga teny Ivato tamin’ny folo ora sy sasany alina ary nijanona 45 minitra teto, ka nampiahiahy ny zanak’i Dada sao hanondranana azy any ivelany, tranga izay tsy azo inoana satria na pasipaoro aza tsy eny an-tanany ka tsy hisy firenena afaka ny handray azy amin’izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.