Politique

Raharaha Ravalomanana Mandainga ny fanjakana !


  • Talata 14 Aprily 2015

Misafotofoto be ihany ny raharaha Marc Ravalomanana ary voaresaka manokana teny amin’ny hotely Carlton omaly maraina nandritra ny fivorian’ny GIS-M nahitana ireo fikambanana iraisam-pirenena sy masoivoho miara-miasa amin’i Madagasikara, niaraka tamin’ny solontenan’ny fitondram-panjakana malagasy.

 

 


 

Milaza ny Me Henri Rabary-Njaka tale kabinetran’ny fiadidiana ny repoblika fa mety resaka tsy mifankahazo no nitranga. Tsy nisy mihitsy ny baiko milaza fa tsy mahazo miteny sy tsy mahazo mihaona aman’olona ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, hoy izy. Nomarihany ihany koa fa misy ny fifampiresahana manokana eo amin’ny  filoha Rajaonarimampianina sy ny filoha Ravalomanana ka izy mirahalahy ihany no mahafantatra  ny momba izay.

Mandainga

Omaly  hariva ihany anefa, araka ny fampitam-baovao avy amina olona akaiky azy, dia nilaza Atoa Marc Ravalomanana fa mandainga ny Me Henri Rabary Njaka satria tena nisy ny fanakanana azy tsy hihaona amin’ireo mpiara-dia aminy sy izay olona tokony ho nihaona taminy tany Antsirabe ny sabotsy teo, tafiditra tao anatin’izany ireo mpitolona tao amin’ny Magro Avaratsena. Hita mibaribary fa manamboninahitra sy miaramila miasa eto Antananarivo no nalefa manokana mihitsy nanara-dia ity filoha teo aloha ity tany Ambositra sy Antsirabe ary tena nanara-maso akaiky azy, nitondra basy mahery vaika hatrany am-piangonana. Ka inona ary no anton’izany ? Sa ve hoforonina indray atsy ho atsy hoe misy mikasa hamono i Marc Ravalomanana ka tsy mahazo mivoaka ny trano intsony na afindra any amina toerana azo antoka izay tsy fantatra mazava hoe aiza ? Ny rehetra dia efa samy mahatakatra fa noho ilay fanambarana feno fahasahiana nataon’i Marc Ravalomanana tao amin’ny Carlton ny alakamisy 9 aprily lasa teo, nampitandremany ireo vahiny manao tsindrihazolena amin’ny malagasy no nampikoropaka ny sasany ka mety nahatonga ny fanapahan-kevitra hanakana azy indray amin’ny fanehoan-kevitra sy fisehoana imasom-bahoaka.


RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT