Ny fanambaran’Atoa Andriamiseza Charles, sekretera jeneralin’ny minisiteran’nyfitsarana omaly hariva no nahafantarana fa fepetra ara-pitantanana (mésure administrative) no nihazonana an’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana any Antsiranana amin’ny alalan’ny antsoina hoe “Résidence fixe” ka ny 16 oktobra 2014 no nivoaka ny taratasy ofisialy momba izany
Noho ny filaminam-bahoaka sy ny fiarovana manokana ny ainy no anton’io fanapahan-kevitra io, mandra-piandry ny mety ho tohin’ny raharaha. Tsy mbola nisy mihitsy ny fanadihadiana nataon’ny mpitsara ity filoha teo aloha ity, hoy ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny fitsarana raha toa ka efa nohadihadiana kosa ireo mpiasan’ny ACM efatra sy Atoa Jean Marc Koumba izay samy nampidirina am-ponja vonjimaika any Antsiranana moa. Nolazainy ihany koa fa tsy maintsy hafainganina ny fikarakarana ity raharaha ity satria voasokajy ho saropady ilay izy (dossier sensible). Tsy maintsy apetraka ihany koa ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny fitsarana malagasy sy Afrikanina tatsimo, eo an-dalam-panatanterahana izany amin’izao fotoana, saria misy ny fanadihadiana tsy maintsy atao any amin’ity firenena ity momba ny raharaha Ravalomanana. Ao anatin’izany rehetra izany dia mandeha be ny resaka fa mety avela hody any amin’ny fianakaviany afaka andro vitsy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.