Politique

Raharaha Marc Ravalomanana Voarirarira koa ireo mpisolovavany


  • Talata 04 Novambra 2014

Mibaribary ankehitriny ny fanaovana fitaovana ny Fitsarana. Tonga any Antsiranana hatry ny omaly maraina rehefa nantsoina mba hiatrika ny famotorana hatao amin’ny filoha Marc Ravalomanana ny mpisolovavan’ity farany

Roalahy izy ireo no efa any an-toerana dia i Me Randrianarivelo Désiré sy Me Andriamadison Hasina. Omaly tontolo, andro voalohany nahatongavan’izy ireo tany Antsiranana anefa dia tsy afaka nihaona, na dia iray segaondra monja, tamin’ny filoha Marc Ravalomanana, izay olona harovany izy roalahy ireo noho ny fandrirarirana samihafa ataon’ny fanjakana. Nanatona ny Fitsarana ambaratonga voalohany izy ireo, nangataka fahazoan-dalana hifampiresaka amin’ny olona harovana (Permis de communiquer) tamin’ny mpitsara mpanao famotorana zokiolona. Raha ny re dia milaza ho tsy mahefa amin’izany raharaha izany anefa ity farany ka eo no mampametra-panontaniana. Fa fanjakana inona ity ? Fialana tsy te ho tompon’andraikitra sa nisy teny midina ? Ny fantatra aloha dia tsy eto Madagasikara ny minisitry ny Fitsarana, Ramanantenasoa Noeline fa lasa any Genève (Soisa) hanao tatitra eo anivon’ny Filankevitry ny Firenena Mikambana momba ny fanajana ny zon’olombelona. Midika io fa ny praiminisitra sy ny filohan’ny Repoblika no lehibe manome baiko eto, sy tomponandraikitra 100% amin’ny zava-mitranga sy mety mbola hitranga. Tsy mbola misy famotorana mandeha aloha hatry ny omaly, raha ny mahakasika ny filoha Marc Ravalomanana. Na izany aza dia efa vory atrika any Antsiranana ireo nomena iraka hanao ny famotorana, izay tarihina kolonely iray avy amin’ny zandarimariam-pirenena. Ny ambaran’ny mpitondra fanjakana fa fidiran’ny filoha Marc Ravalomanana an-tsokosoko teto Madagasikara no miteraka izao raharaha tonga eny amin’ny Fitsarana izao. Ny mahagaga anefa dia tao anatin’izay 25 andro nahatongavan’ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana izay dia mangina tsy andrenesam-peo na fanazavana in-draimbava akory aza ny minisitry ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, Andriantiana Jacques Ulrich. Tany Eoropa tany moa izy tamin’ny fotoana nahatongavan’ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana ary toa hoe nahateny fa soa ihany izy tsy teto Madagasikara tamin’io, fa raha tsy izay angamba efa voagidragidra ! Inona avokoa no ao ambadik’izany ? Ny zava-misy aloha dia miakatra ny feo ao amin’ny Magro Behoririka, mitaky ny hamoahana ny filoha Marc Ravalomanana tsy misy fepetra sy ny hamerenana azy eo anivon’ny fianakaviany eny Faravohitra. Manaraka akaiky ny fivoaran’ity raharaha ity koa ny Alemanina sy ny Amerikanina, ity farany izay mbola nanamafy omaly fa ny tokony hampiharana ny voalazan’ny Tondrozotra.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT