Politique

Raharaha labatora Ankadindratombo Anio maraina amin’ny 9 ora indray ny fakana am-bavany


  • Talata 21 Aprily 2015

Nahemotra anio maraina indray ny fakana am-bavany ataon’ny « Chaîne Penale” an’ireo olona voakasika amin’ny raharaha labatoara Ankadindratombo. Anisan’izany ny ben’ny tanŕnan’Alasora sy ireo mpanolotsaina ao aminy

 

sasantsasany, ireo teratany Sinoa voalaza fa nividy ny tany, ry zareo Hafari Malagasy soloin’ny filohany tena … Vao maraina moa dia efa niatrana teny an-toerana ireo olona voatonontonona ireo saingy tany amin’ny manodidina ny mitataovovonana  vao tonga ny Tonian’ny Mpampanoa lalàna. Voalaza teny an-toerana fa mbola miandry ny toromariky ny minisitra tompon’andraikitra ny mety ho fanohizana ity fakana am-bavany ity. Ny minisitry ny fiompiana ankehitriny, Ramparany Anthèlme, dia nanao angoan-tena tamin’ny haino aman-jery samihafa, omaly, fa tsy misy idiran’ny minisitera ny amin’ity raharaha ifanolanana eny Ankadindratombo ity, fa ny fijerena ny fanaraham-penitra eo amin’ilay toerana famonoana omby eo amin’ny fanimbana ny tontolo iainan’ny mponina eny an-toerana no tsy maintsy arahin-dry zareo maso.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT