Nahemotra ho amin'ny fivoriana faha-71 ny Firenena Mikambana indray ny fandinihana ny famerenana ireo nosy malagasy efatra giazan'ny Frantsay.
Lany tamin’ny 17 septambra teo nandritra ny fandaniana ny lahadiniky ny fivoriambe faha-70 ny Firenena Mikambana tanterahina amin’ny herinandro io fanemorana io. Tsy nisy nitsipaka na iray aza ireo firenena miisa 193 mpikambana, ka anisany i Madagasikara. Isan-taona dia tafiditra hatrany ao anatin’ny lahadiniky ny fivoriambe io raharaha “Iles Eparses” io, saingy dia mihemotra hatrany.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.