Maro no resy lahatra omaly fa mifono zavatra hafahafa ny fandroahana ny Tiko tao amin’ny Hangar izay nofainy tamin’ny Adema.
Tsy atao trano fivarotana na trano fonenana io toerana io fa ampiasaina hametrahana fiaramanidina. Raha misy rahateo kaompaniam-pitaterana anabakabaka vaovao dia tsy maintsy manana Hangar izy aloha izay vao mahazo fahazoan-dalana hiasa. Nesorin’ny Adema tao amin’ity Hangar ity ilay fiaramanidina ATR 42-300 an’ny Tiko ary fantatra fa napetraka any amin’ny parking-n’ny BANI –Ivato, tahaka ny natao tamin’ilay Air Force One voalohany fony tetezamita. Mifanandrify indrindra ny amin’ny fijoroan’ilay kaompania vaovao Madagascar Airways izao fibodoana ny Hangar an’ny Orinasa Tiko izao.
Hitory
Tsy hipetra-potsiny fa mieritreritra ny hitory an’ny Adema ny orinasa Tiko izay an’Atoa Marc Ravalomanana noho ny fidirana an-keriny natao tao amin’ny Hangar sy ny namindrana toerana ilay fiaramanidina ATR 42-300. Tonga teny Ivato nikasa ny hiditra tao amin’ny Hangar na garazy ho an’ny fiaramanidina ny mpisolovava ny Groupe Tiko ny Me Hasina Andriamadson saingy tsy afaka niditra fa nihidy lakile ny vavahady. Nitafa tamin’ny mpanao gazety izy ary nanazava fa efa nisy ny fifanarahana teo amin’ny Adema sy ny Tiko tamin’ny taona 2008 fa hampiasain’ny Tiko io Hangar io. Nisy moa ireny zava-nitranga tamin’ny 2009 ireny ka nisy ny ampahany tamin’ny hofan-trano tsy voaloan’ny Tiko. Tsy midika izany fa azo alaina ny entana sy ny zavatra ao anatin’io Hangar io, hoy ny fanazavana. Tsy mitombina ny fanagiazana na fidirana an-keriny ao amin’io Hangar io, hoy i Me Hasina Andriamadson satria tsy mbola nisy ny didim-pitsarana nanome alalana ny hanaovana izany. Taorian’ny fanakanana ny fisokafan’ny ozinina any Antsirabe sy ny haino aman-jery MBS dia ity fikitikitihana ny Hangar eny Ivato ity indray no karazana antsojay ataon’ny fitondram-panjakana amin’ny Tiko sy Atoa Marc Ravalomanana. Tahaka ny efa fambara ihany koa izao fa hiditra an-tsehatra ary hiasa tsy ho ela ny mpifaninana mivantana amin’ny Air Madagascar, satria efa miendrika ho fiomanana amin’izany ity fakana ny Hangar eny Ivato nampiasain’ny Tiko ity, hametrahana fiaramanidina hafa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.