Politique

Raharaha FIGN 5 taona lasa izay


  • Alarobia 20 Mey 2015

Dimy taona lasa izay ny raharaha FIGN, fotoana anisan’ny nanamarika ny fisian’ny krizy teto Madagasikara, fotoana nijoroan’ireo tsy manaiky ny tsy rariny koa anefa. Be loatra ny tsy rariny, marary ny firenena koa nandray andraikitra

 

nijoro ary niantso ireo rehetra tonga saina sy tia tanindrazana ho avy eny amin’ny FIGN Fort Duchesne hanao fihetsiketsehana, hiaraka hikaroka ny vahaolana hivoahana amin’ny krizy ny kolonely Raymond Andrianjafy. Tonga teny an-toerana ny ankolafy 3 sy ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana ny alakamisy 20 mey 2010 vao maraina. Ankoatr’izay dia tao anatin’ny fitakian’ireo zandary teny amin’ny FIGN koa ny hoe :   « hazavao ny momba ilay vola 500 tapitrisa ariary nambaran’ny filoha Ravalomanana fa nomena ny mpitandro filaminana ».Samy nanana ny fomba filazany momba io vola be io moa tamin’izany fotoana, ary samy mbola miandry ny tena marina momba azy io ny rehetra hatramin’izao. Tsara homarihana fa niondrana maika tany Frantsa ny 19 mey alina, mialoha ny hetsiky ny FIGN  ny Jeneraly Bruno Razafindrakoto komandin’ny zandarimariam-pirenena tamin’izany fotoana ary lehiben’ny FIGN tamin’ny fitondrana Ravalomanana. Miaramila efa ho 600 lahy avy amin’ny emmo reg moa no nanafika ny tobin’ny FIGN tamin’io 20 mey io satria nambara fa nikomy sy nikasa hanongam-panjakana ry kolonely Raymond Andrianjafy sy ny ekipany, henjana ny fifandonana, 3 no maty 17 no naratra ary voasambotra ireo FIGN nambara fa nikomy ary dia nogadraina. Nahazo famotsoran-keloka moa taty aoriana izy ireo ary efa navoaka ny fonja.RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT