Mitohy hatrany ny fanadihadiana ataon’ny mpanao fanadihadiana avy amin’ny sampana mikaroka momba ny heloka bevava eo anivon’ny zandarimariam-pirenena avy any Toliara mikasika ny nahafaty ny komanda Andriantiana Falihery tao Betroka sy ny anton’ny tena mampirongatra ny asan-dahalo any an-toerana.
Ankoatra ireo olom-boafidy any an-toerana dia tsy vitsy ihany koa ireo olon-tsotra izay anaovan’ny mpitandro filaminana fanadihadiana ka tonga hatrany Isoanala, Ivaho sy Mahabo izay samy Kaominina ambanivohitra mafampana avokoa. Misy mpitandro ny filaminana ihany koa anaovana fanadihadiana amin’izao fotoana izao ka anisany ny adjidà Tsiliva, ilay voaratra tsy nahy noho izy noheverin’ny manamboninahitra ambony iray amin’ny tafika izay mampandry tany any an-toerana, ho ny adjidà Casimir, izay havana akaiky ny depiote Randrianasolo Jean Nicolas, izay voafidy tao Betroka. Ny fanontaniana mipetraka dia ny antony nahatonga ny fahatezeran’ity manamboninahitra ity amin’ny adjidà Casimir.
Etsy an-kilany, maro ny ramatahora mahazo ny adjidà Tsiliva ankehitriny noho izy nahasahy namoaka ny alahelony tamin’ny nandratrana azy tsy nahy io. Raha tsy ampitahorina hafindra toerana izyva dia ampihorohoroina hotoriana ihany koa, hany ka tsy afaka mihetsika ao Betroka na dia tokony handeha hitsabo tena aza.
Tamin’ireo sivily nanaovana fanadihadiana dia tsy vitsy koa ny nanambara ny nahitan’izy ireo dahalo raindahiny telo izay nisy nitondra tao amin’ny Kaomanda Andriantiana Falihery fony fahavelony. Nisy fifanarahana saika natao ve tamin’io fotoana io saingy tsy tody hatramin’ny farany ka nahatonga ny famonoana ny komanda Andriatiana Falihery sa inona no tena antony niakaran’ireto lehiben’ny dahalo telo ireto tao Betroka tamin’izany fotoana ? Ny valin’ny fanadihadiana no antenaina hahafantarana ny tena marina.
Ra-Bri
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.