Politique

Raharaha Bangkok Iza no mandainga ?


  • Talata 21 Aprily 2015

Misy zavatra afenina ve sa iniana tsy resahana amin’ny mpanao gazety fotsiny izao ? Efa ho iray volana angamba izay dia nandeha be ny resaka mikasika ny fahatrarana teratany Malagasy tany Bangkok, Thailande voalaza fa nanao afera na boaderozy,

 

volamena ary  rongony mahery vaika na “cocaine”. Ny Zanaky ny Filoham-pirenena no voatonontonona tamin’izany saingy rehefa nahita azy teto an-toerana nandritra ny nilazana fa tratra any Bangkok ilay mpanao afera dia  nangina. Rehefa nanotaniana an’io raharaha io ihany koa ny praiminisitra lehiben’ny governemanta dia nanambara fa fanosoram-potaka ny fianakavian’ny Filoha noho ny tsy fifankahazoana ara-politika ihany iny resaka iny. Ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena ny Jeneraly Paza  Didier Gerard  moa dia nanolo-kevitra ny tokony hanontaniana ny  any amin’ny masoivohon’i Thailande. Natao tokoa ary izany omaly ka dia tamin’ny alalan’ny mpiandry varavarana no nahazoana  valiteny hoe : “Miala tsiny fa tsy manam-baovao mikasika an’izany malagasy tratra nanao afera na boaderozy  sy volamena ary cocaine izany ny ao amin’ny masoivohon’i Thailande. Atoa  Pharamabutra  Kriwat lefitra voalohan’ny konsily jeneralin’i Thailande no nampitondra an’io hafatra io, hoy ilay mpiandry varavarana fa tsy mbola afaka mandray ny mpanao gazetin’ny Tia Tanindrazana, hono, izy.  Hatreto izany dia tsy fantatra na nisy na tsia io fisamborana teratany Malagasy tany Bangkok io satria tsy manam-baovao mikasika izany ny masoivoho eto an-toerana.  Nisy tompon’andraikitra ambony  malagasy anefa efa nanambara fa enina no isan’ireo olona voasambotra any Thailande ireo saingy tsy nolazaina ny anton’ny fisamborana sy ny anaran’izy ireo.

Fitsarana manokana

 Ny nahagaga ambonin’izay dia  ny famalin’ilay  ramatoa teratany malagasy izay miasa ao amin’ity masoivohon’i Thailande ity. Rehefa nantsoina an-tariby ny masoivoho mba hanontaniana ny fomba fanoratra ny anaran’ilay lefitry ny konsily jeneraly dia toa fampitahorana no azo nanao hoe  “ ho sahirana ianao raha mamoaka ny anaran’Atoa  Pharamabutra Kriwat any anaty gazety”.  Fa maninona no ho sahirana kanefa tsy teny ratsy atao azy na sanatria fanompana ? Sa amin’ny  maha masoivoho azy  no tsy azo anoratana ny anarany ?  Aiza ho aiza ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety amin’izany ?

Ny praiminisitra Jean Ravelonarivo dia efa nilokaloka  fa tsy handefitra amin’ny mpanondrana an-tsokosoko  ny harem-pirenena malagasy ary mbola naveriny izany nandritra ny fanakatonana ny dinika Paikady Natao  Dinasa teny  amin’ny CCI Ivato. Tamin’ny diany tany Farafangana dia nampanantena koa izy fa  hanangana fitsarana manokana hijery ny raharaha boaderozy.  Tsy  rariny ary ve raha itondrana fanazavana  ho an’ny vahoaka ity raharaha Bangkok ity ? Raha nisy  marina dia iza ? Raha tsy misy dia lazaina mazava fa tapitra.


Andry Ratovo      

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT