Misoko mangina ny raharaha Air Madagascar. Taorian’ny fanoloana ny Tale jeneralin’ity kaompania nasionaly misahana ny fitaterana anabakabaka ity sy ny fanavaozana ireo mpikambana ao amin’ny filankevi-pitantanana mba hanarenana ny orinasa, dia re izao fa misy tandapa iray
isan’ireo tanan-kavanan’ny filohan’ny Repoblika, nanokafan’ny Birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly fanadihadiana amin’izao fotoana izao. Mifamahofaho be ihany ny resaka, fa ny azo antoka dia tohin’ireo resaka nitsikafona nandritra ireny fitokonana nataon’ny mpiasan’ny Air Madagascar tamin’ny volana aogositra ireny izy ity. Anisan’izany ny famoaham-bola mihoampampana teo anivon’ny orinasa. Voaresaka ihany koa ny amin’ireo fiaramanidina karazany AVRO RJ85 avy nampiasan’ny miaramila Boliviana, voalaza fa fanomezana avy amina mpandraharaha mpanefoefo teratany Sinoa, mba hasolo ireo Boeing B737-300 anankiroa izay haverina amin’ny tompony amin’ity faran’ny volana oktobra ity. Ho hita eo ny fivoaran’ny raharaha.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.