Anio no hohadihadiana sy alaina am-bavany eny amin’ny polisy ekonomika ireo mpanamory 5 sy teknisianina 1 avy ao amin’ny Air Madagascar nambara fa mety miray tsikombakomba amin’i Rado Rabarilala.
Ity farany moa dia nahazo fahafahana vonjimaika omaly hariva rehefa avy nohadihadian’ny mpitsara mpanao famotorana teny Anosy. Tsy maintsy hiverina eny amin’ny fitsarana ihany anefa ity delegen’ny mpiasan’ny Air Madagascar ity satria mbola hiatrika ny fanadihadiana ifotony ny tenany, araka ny nambaran’ny mpisolovava azy. Tsy nandrenesan-teny omaly taorian’ny nivoahany ny lapan’ny fitsarana i Rado Rabarilala fa nikopakopa-tanana fotsiny dia niditra tao anaty fiara ary lasa namonjy fodiana. Fikambanan-jiolahy, fisomparana ny toekarena ary fanapariahana vaovao tsy marina no vesatra iampangana azy. Efa nisy ny fisavana ny trano fonenany teny Talatamaty ny alatsinainy lasa teo. Mitaky ny hamoahana azy tsy misy hatakandro sy hampitsaharana ny fanenjehan’ny fitsarana azy sy ireo mpiasan’ny Air Madagascar 6 hafa moa ny fivondronamben’ny sendika satria amin’izy ireo dia tsy mitombina ny fanenjehana fa paikady hamonoana ny fitakian’ny mpiasa fotsiny.
Nametraka fepetra
Niantso fihaonana sy fifampidinihana mba handaminana ity raharaha Air Madagascar ity moa omaly ny avy ao amin’ny fiadidiana ny repoblika (prezidansa). Tsy nanda izany ireo mpiasa fa nametraka fepetra fotsiny ka manampy ny efa voalaza tetsy ambony ny hoe : ny filoham-pirenena no mihaona mivantana amin’izy ireo, esorina amin’ny toerany ireo tompon’andraikitra tahaka ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Air Madagascar sy ny tale jeneralin’ity kaompania ity, esorina ihany koa ny tale jeneralin’ny ACM sy ny minisitry ny fitaterana. Tsy mbola namaly ny fiadidiana ny repoblika raha manaiky na tsia ireo fepetra ireo. Andrasana kosa anefa izay mety hambaran’ny filankevitry ny minisitra amin’ity anio ity satria voalaza fa tsy maintsy hodinihana ao ny raharaha Air Mad. Tahaka ny efa manaporofo ny tsy fifehezan’ny minisitry ny fitaterana ny raharaha ny fidirana an-tsehatry ny prezidansa amin’ny famahana ny olan’ity kaompaniam-pitaterana anabakabaka ity.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.