Mihetsika indray ny mpanao kung fu. Roa andro miara-miaina indray no lohahevitra hitarihan'i Grand Maître Avoko an'ireo mpampianatra kung fu Wisa manerana ny nosy ny sabotsy 22 sy alahady 23 novambra ho avy izao etsy amin'ny lapan'ny tanora Andrefan'Ambohijanahary.
Miisa 500 ireo maître kung fu manerana ny nosy no hiatrika fiofanana ao ka ho tonga ao daholo ireo tompon'andraikitra avy any amin'ny faritra tahaka ny avy any Taolagnaro, Betroka, Ambovombe, Antsiranana, Namakia… Maro ny fiofanana sy dinika atao mandritra izany toy ny fitaizana ny mpikatroka ho olom-banona, fanomanana ny fiainam-pirenena sy ny zaikabe 2015-n'ny kung fu Wisa. Fa anisan'ny lahadinika tena hisongadina ny handinihana ny raharaha kung-fu 1985. Natao indrindra izany satria efa tsy maintsy irosoana ny fampihavanam-pirenena. Manao antso avo ny mpanao kung fu ny mba hisian'ny fiaiken-keloka ampahibemaso ho an'izay rehetra tompon'andraikitra tamin'ny vono olona mahatsiravina teny Ambatomainty ny alin'ny 31 jolay hifoha 1 aogositra 1985 ny tenany. Mila atao mazava sy mangarahara tsara ny momba io raharaha io, hoy i Grand Maitre Avoko mialoha ny hirosoana amin'ny fampihavanam-pierenena. Fa ankoatra izay dia fantatra fa hisy ihany koa ny fihaonana manokana ataon'ireto Maître kung-fu 500 ireo amin'Atoa Sylvain Rabetsaroana izay filoham-boninahitra nasionalin'ny fikambanana. Hisy ihany koany dinika miaraka amin'Atoa Victor Rakotoarisoa filohan'ny federasionina malagasin'ny kung fu mba ho fandaminana ny lalàna mifehy ity taranjam-panatanjahantena iray ity. Mijoro ho tompon'andraikitra hatrany amin'ny fitondrana ny anjara birikiny amin'ny fiainam-pirenena ny mikatroka kung fu, ka hisy ihany koa noho izany amin'ireo roa andro ireo ny fametrapetrahana ny paik'ady politikan'ny antoko Madagasikara afaka (MAF) izay tarihan'i Avoko Rakotoarijaona. Hiofanana ary ny fahaizana manavaka tsara ny tontolon'ny fanatanjahantena amin'ny maha fitaizana azy sy ny tontolo politika amin'ny maha fiainan-koavin'ny firenena azy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.