Politique

Raharaha “1 miliara” Hitarika ny faharavan’ny MAPAR


  • Alakamisy 11 Jona 2015

Ny ahiahy tsy ihavanana. Miakatra ny feo ao Ambodivona fa misy Jodasy ao anatiny ao. Ahoana tokoa moa no nahafantaran’ny mpitandro ny filaminana fa nisy volabe nivoaka teny an-toerana, raha tsy nisy namoaka ny tsiambaratelo. Vokatr’iny vola 1 miliara Ian a 200 tapitrisa Ar hita tao anatin’ny fiara nentin’ny solombavambahoaka Lanto Rakotomanga ny alin’ny alatsinainy 8 jona 2015 iny dia re izao fa

mifampiahiahy sy mifampitsikilo ireo samy MAPAR. Noho iny raharaha iny aza dia manomboka mivoaka ny feo fa tsy ho ela dia ho rava ity vondrona MAPAR ity satria misy tsy azo itokisana noho ny fialonana. Mety mba nanantena ny hitondra ilay volabe, kanefa niantefa tany amin’ilay solombavambahoaka tanora vavy ny iraka. Mba ho hafahafa ihany anefa raha resa-bola no haharava ity antoko milaza ho manana maro an’isa ao amin’ny Antenimieram-pirenena ity ? Raha toa ka izay mantsy dia tsy foto-kevitra politika na vinam-piarahamonina mazava izany no mampitambatra sy mampitangorona ao Ambodivona ao fa ny fitiavam-bola no lehibe indrindra.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT