Rehefa miresaka firenena demokratika isika dia tsy maintsy misy fifidianana.
Io no hametrahan’ny Malagasy izay mpitondra mety aminy. Ho anay ato amin’ny ABA, hoy ny filohan’ny antoko, Dany Rakotoson, dia efa vita iny ny fifidianana filoham-pirenena. Ny fifidianana solombavambahoaka sy ben’ny tanàna izao no omanina. Izahay amin’izao dia manao fitsapam-pahaizana kely mihitsy any anaty Facebook ihany ahatsapan’ny rehetra hoe mety sa tsy mety aminy ny ho solombavambahoaka. Izaho manokana dia mampirisika an’izay vonona ka mahatsiaro ho manana ny fahaizana hiomana sahady amin’izany dieny izao satria raha ny tokony ho izy dia amin’ny herintaona ireo fifidianana roa ireo. Rehefa vonona ny handray andraikitra dia milatsaha, hoy ny ny tenany. Apetraho ny fanontaniana hoe mahay mandresy lahatra sy miaro ny vahoaka ve ? Zava-dehibe mialoha ny fahaizana anefa ny fahavononana, hoy ity mpanao politika ity.
J. Mirija
Legend: Dany Rakotoson
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.