Naneho ny heviny mikasika ny fahitany ny fifidianana filoham-pirenena notontosaina teto amintsika ny 7 novambra lasa teo iny Ramatoa Rafolisisoa, filohan’ny fikambanana miaro ny
zon’olombelona sady mpanara-maso ny fifidianana teto an-toerana ihany koa. Nambarany fa nilamina ny fizotry ny fifidianana tamin’ny ankapobeny. Tsy nisy ny olana goavana be nitranga fa saika ireo olana madinidinika ihany no niverimberina, hoy izy. Anisan’ny notsiahiviny manokana ny fisian’ireo olona efa maty nefa mbola voasoratra tao anaty lisi-pifidianana ihany, ireo olona efa tsy mipetraka tamina fokontany iray intsony fa nifindra monina nefa mbola voaisa ho mponina tao amin’ilay tanàna efa nialany ihany … Nomarihiny anefa fa tsy andraikitry ny CENI irery ireny. Efa nomena fotoana isika, hoy izy nandehanana nanamarina ny anarantsika tao anatin’ny lisi-pifidianana izay nalefa teny anivon’ny fokontany saingy betsaka ireo tsy nanao. Teo an-danin’izay dia mety tsy nahavita ny asany araka ny tokony ho izy ihany koa ny fiarahamonim-pirenena toa azy ireo nanentana ny vahoaka. Miantso ny rehetra mba tsy hifanome tsiny intsony, araka izany, Ramatoa Rafolisisoa. Ny tombontsoa ambonin’ny firenena ho azy no tokony hobanjinina hananan’ny vahoaka Malagasy filaminana sy fitonian-tsaina.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.