Politique

Rafolisisoa Hanitra Adidin’ny fanjakana ny mampiseho ny mangarahara


  • Zoma 24 Oktobra 2014

Samy tsy mahatafavoaka baolina na ny mpitondra fanjakana na ireo mpanohitra eto Madagasikara ankehitriny. Difotry ny sangodim-panina politika tanteraka ihany koa ny fiarahamonina Malagasy. Mitondra ny fomba fijeriny ny raharaham-pirenena eto amin’ny gazety Tia Tanindrazana anio Rafolisisoa Hanitra, filohan’ny «Union Nationale Malagasy des Droits Humains» na UNMDH. Resadresaka.

Tia Tanindrazana (TT): Mpandala ny zon’olombelona ianao, ny fahitanao ny zava-misy eto amin’ny firenena ankehitriny ?

Rafolisisoa Hanitra (RF) : Tsy voataiza amin’ny fanajana ny zon’olombelona isika eto Madagasikara. Tena taraiky isika eo amin’ny sehatry ny fanabeazana olom-pirenena mihoatra amin’ireo firenena afrikanina rahavavintsika. Manana adidy sy andraikitra voalohany amin’izany ny fanjakana sy ny antoko politika saingy manao ambanin-javatra io resaka io raha ny trangan-javatra niainan’ny firenena Malagasy no jerena hatramin’ny niverenan’ny fahaleovantena tamin’ny taona 1960.

TT : Ambanin-javatra ny fanabeazana olom-pirenena eto Madagasikara, azonao hazavainao bebe kokoa ve ?

RF : Azo sokajiana ho telo lehibe ireo vondrona tompon’andraikitra amin’ny fanabeazana olom-pirenena dia ny fiarahamonim-pirenena, ny antoko politika ary ny fanjakana. Raha voafetran’ny fitaovana enti-miasa ny fiarahamonim-pirenena dia tsy afa-miala amin’ny tamberina ara-tsosialy eo anivon’ny fiarahamonina kosa ny antoko politika sy ny mpitondra fanjakana satria izay no antom-pisiana voalohany amin’ny fijoroan’izy ireo. Ny mampalahelo anefa dia nitsipa-doha laka-nitana hatrany ireo sokajy roa ireo teo amin’ny tantaram-pirenena Malagasy.

TT : Efa am-polony taona izay no noresahana ny fampihavanam-pirenena saingy tsy mbola tanteraka ihany izy io hatramin’izao, ny hevitrao ?

RF : Raha hiresaka fampihavanam-pirenena isika dia tokony miainga hatrany amin’ny taona 1947 izay nisian’ny tolona namaivay nanoherana ireo mpanjanatany. Nanomboka tamin’io vanim-potoana io mantsy no tsy nitovy hevitra ny samy Malagasy ary mbola tarazon’izany ireo krizy miverimberina eto amin’ny firenena mandrak’androany.

TT : Nandray an-tanana ny fanatontosana ny fampihavanam-pirenena ny fitondram-panjakana mijoro ankehitriny, inona no mety sakana aminao ?

RF : Fanamby goavana io noraisin’ny fanjakana io. Miankina amin’ny fahavononan’ny mpitondra sy ny finiavany handresy lahatra ny mpiara-belona iray manontolo no hampahomby na tsia azy io. Ny tsara ho fantatra fotsiny dia mila avalona avokoa ireo karazana disadisa namotika ny fiarahamonina Malagasy tao anatin’izay 50 taona mahery izay. Mba hahatanteraka izany dia ilaina ny fifandeferana, ny fihavanana ary koa ny fibebahana.

TT : Raha raisintsika ohatra ny krizy iainan’ny vahoaka Malagasy nanomboka tamin’ny taona 2009 dia noraisina ho vahaolana ny tondrozotra saingy tsy tanteraka manontolo, midika inona izany aminao ?

RF : Famerenana ny filaminana eto Madagasikara no tanjon’ny fianakaviambe iraisam-pirenena tamin’ny fotoana nandrafetana ny tondrozotra ary tafiditra ao anatin’izany ny fampodiana ireo sesitany politika. Lalana tsy maintsy hizorantsika koa anefa ny fampihavanam-pirenena izay midika ny fisian’ny tany tan-dalàna, ny fanajana ny zon’olombelona. Mifanindran-dalana amin’ireo ihany koa ny demokrasia.

TT : Vaovao mitana ny sain’ny maro ny fiverenana tampoka sy ny fitazonana amin’ny toerana manokana ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc, ny fijerinao ireo tranga nifanesy ireo ?

RF : Efa naneho ny heviny ny sehatra iraisam-pirenena momba ny fodian’ny filoha Ravalomanana. Mahita ny tenako fa olana politika azo vahana amin’ny alalan’ny fifampiresahana ny zava-mitranga ankehitriny. Tokony hipetraka foana kosa aloha ny fanajana ny zon’olombelona isika eto Madagasikara. Tena lesoka lehibe nampalaza ratsy ny fitondrana nifandimby teto amin’ny firenena Malagasy, ohatra, ny tsy fanomezam-baovao mangarahara avy amin’ny fanjakana. Mbola hita soritra ihany anefa izany amin’ny fomba fitazonana ny filoha Ravalomanana izay miteraka resabe sy honohono. Manan-jo hahalala vaovao marim-pototra anefa ny olom-pirenena rehetra tsy an-kanavaka.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT