Politique

Rafitra hikarakara ny fifidianana Andrasana ny hevitr’ireo antoko politika


  • Zoma 28 Aogositra 2015

Hahemotra amin’io herinandro hitsidika io indray ny fanangonan-kevitra avy amin’ireo antoko politika mijoro ara-dalŕna eo anivon’ny fanjakana momba ny fananganana ilay vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana vaovao izay tokony hotanterahana amin’ity anio zoma 28 aogositra ity.

 


 

Tsy ho ela fa mety amin’ny alatsinainy izao ihany no hanatanterahana azy io, hoy ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Atitany Andriamanantsoa Philibert. Mahatratra hatrany amin’ny 160 ireo solontenan’ireo antoko politika nahazo fanasana handray anjara avy amin’ity minisitera mpiahy ity, araka ny fanazavana. Taorian’ireo soso-kevitra mitovy naroson’ny solontenan’ireo fiarahamonim-pirenena tamin’iny herinandro lasa iny dia andrasana ihany koa ireo hevi-dehibe iombonana avy amin’ireo antoko politika marobe eto Madagasikara. Handravona avy hatrany ireo hevitra voangona moa ny minisiteran’ny Atitany, araka ny fanampim-panazavana nomen’ity tompon’andraiki-panjakana ambony ity.

Ramano F.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT