Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra tamin’iny herinandro lasa iny sahady ny volavolan-dalàna hananganana ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana vaovao na dia nilaza aza ny minisitry ny Atitany fa ao anatin’ny programa ny hanohizana ny fakan-kevitra avy amin’ny hery velona misy eto amin’ny firenena.
Ny zava-misy aloha dia tsy natao jery todika akory ny fomba nananganana, ny fitantanana na koa ny vokatra azo tamin’ny andraikitra feno nomena ireo Vaomiera roa nifandimby niandraikitra ny fifidianana hatramin’ny 2010. Fanontaniana maro manan-danja ihany koa no tsy mbola voavaly hatreto toy ny hoe haverina amin’ny minisiteran’ny Atitany sa hajanona amin’ny CENI ny fandrafetana ny lisi-pifidianana ? Afaka hisahana iray manontolo ny fifidianana manomboka amin’ny fikarakarana hatrany amin’ny famoahana ny vokatra ofisialy ve ny CENI ? Azo antoka kokoa ve ny voka-pifidianana raha ny fandinihana ireo fitoriana sy fitarainana fotsiny no iandraiketan’ny fitsarana ? Nilaza rahateo ny tsy fahafahampony tamin’ny fanangonan-kevitra iray andro natokana ho azy ireo ny solontena avy amin’ireo antoko politika 150 mahery ka inoana fa hiditra ao anatin’ny adihevitra manaraka ity resaka fahatokisana ny rafi-pifidianana Malagasy vaovao hatsangana ity.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.